Dans la męme rubrique

Governemanta Nesorina ny minisitry ny fanabeazana

05/06/2020

Voahozongozona tamin` ny sezany taorian` ny fisian` ny resaka “Bonbon” omena ireo mpianatra rehefa avy misotro tambavy CVO mitentina 8 miliara ariary ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa (MENETEP),

Governemanta Nesorina ny minisitry ny fanabeazana

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Tezitra mafy amin-dRajoelina i Toamasina

05/06/2020

Mafana ny toe-draharaha ao Toamasina, ary tsapa ho manana alahelo na tsy faly amin’ny fanjakana sy ny Filoha Rajoelina ny vahoaka any an-toerana.

Raharaham-pirenena Tezitra mafy amin-dRajoelina i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Tsy iray ihany ny minisitra be afera…

05/06/2020

Nesorina tamin’ny toerany izany iny ny minisitry ny fanabeazana Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay afera “bonbon sucette” mitentina 8,4 miliara ariary.

Governemanta Tsy iray ihany ny minisitra be afera…

Hamaky ny tohiny...

Raraharaham-pirenena Mamofompofona fipoahana lehibe…

05/06/2020

Mafampana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Eo ny krizy ara-toekarena, fa ny krizy ara-tsosialy sy ara-politika ihany koa mandindona mafy.

Raraharaham-pirenena Mamofompofona fipoahana lehibe…

Hamaky ny tohiny...

Raharaha any Toamasina Manazava ny governora

05/06/2020

Niverina amin’ny laoniny tanteraka ny fiainan'ny vahoakan'ny Toamasina taorian'ny savorovoro nisy tany an-toerana ny alarobia teo noho ny nahitana ilay tovolahy tsy salama izay tsy fantatra izay nahazo azy, taorian'izay raha ny nambaran'ny governoran'ny faritra atsinanana, Richard Theodore Rafidison.

Raharaha any Toamasina Manazava ny governora

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanamasoandro naato Niarahaba ny vahoakan’Ambohidrimanjaka ny RMDM

05/06/2020

Taorian’ny nahafantarana fa naaton’ny fitondram-panjakana ny fanatanterahana ilay tetikasa Tanamasoandro eny Ambohitrimanjaka izay nikasan’izy ireo

Tetikasa Tanamasoandro naato Niarahaba ny vahoakan’Ambohidrimanjaka ny RMDM

Hamaky ny tohiny...

Vondrona parlemantera IRD Naivo Raholdina no lasa mpitondra teny ?

05/06/2020

Raha ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel voafidy tany amin’ny distrikan’Ikongo tany aloha tany no mpitondra teny mahazatra ny Vondrona

Vondrona parlemantera IRD Naivo Raholdina no lasa mpitondra teny ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

10/04/2020

Sosotra sy tezitra ireo mponina teny Masinandriana Avaradrano satria nambaran’izy ireo fa kiantrano an-trano izay tsy izy ny fananganana ny komity

 

 

 

 

Loharano natokana hamantatra ireo olona tena sahirana omena ilay vatsy tsinjo, tohana ara-tsosialy avy amin’ny fitondram-panjakana. Tsy ekenay ireo mpikambana ao anatin’ny loharano, hoy ny mponina satria izay naman’ilay Ramatoa antsoina hoe N sy izay miresadresaka aminy eny an-dalana no nampidiriny tao. Tsy nisy fivoriam-pokonolona nakana ny hevitry ny fokonolona, tsy nisy fifampiresahana fa tonga dia notendrena fotsiny ireo komity, hoy ny fanazavan’izy ireo. Izahay anefa dia mpiara-miasa akaiky amin-dRamatoa N, ary misy mpanolotsaina mihitsy aza saingy tsy misy fantany izahay ankehitriny fa ny akamakamany no nantsoiny; izahay nifidy ny filoha Rajoelina ary tena manaratsy endrika azy izao fihetsika ataona olona misora-tena ho MAPAR ambonin’ny MAPAR izao, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Toa lasa misy resaka “quota” hoe ny lohandohan’ny mpisoron’ny antoko no manolotra olona. Mazava ho azy fa ho maro no ho voahilika noho ny firehana politika, kanefa fanampiana amin’ny anaran’ny Malagasy izay mety misy trosan’ny firenena aza no zaraina. Tsy eny Masinandriana avaradrano ihany no nandrenesam-peo tahaka izany fa amina fokontany maro, indrindra fa amin’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo Renivohitra. Ao amina fokontany iray eny Atsimondrano koa ohatra dia tsy mbola am-perinasa hatry ny omaly alakamisy ny komity loharano na dia efa tafantsangana aza. Ny antony dia satria niovaova foana ny lisitra misy ny anaran’ireo mpikambana ary tsy mety maharesy lahatra ny mponina ao amin’ny fokontany.

 

HANDISO FANANTENANA NY FILOHA…

Raha hiverenana ny tenin’ny Filoham-pirenena, dia hahafahana mametraka fiarahamonina vaovao sy paikady vaovao ho amin’ny fampandrosoana hiainga any ifotony ny rafitra Loharano ahitana mpikambana miisa 6. Vao mijoro ireo dia tokony hanana fitokisana ny ao an-tànana. Ny olona tadiavina, dia tsy tia kolikoly, to teny, misokatra amin’ny hevitry ny rehetra, hoy izy. Toa efa masaka an-tsain’ireo lohandohany sy mpanetsika ara-politika ao anatin’ny antokon’ny fitondrana, fa izy ireo no mandidy sy manapaka vao hoe: tombotsoa avy amin’i Andry Rajoelina izay Filoha iraisan’ny Malagasy. Ny fitantanana ny coronavirus rahateo moa aza efa nasiana loko politika “volomboasary”, ka tsy atao mahagaga ny mety ho fisainana tahaka izany. Nilaza ny filoha fa tsy te hahare hoe misy fanampiana tsy tonga any amin’ny tokony homena azy, na hoe mihena fa tsy arakaraka ny tokony ho izy. Ny komity loharano afaka mijery izay. Ireo no hampiely eny anivon’ny fiarahamonina ny asa sy ny tohana ara-tsosialy avy amin’ny fanjakana. Ireo no hitily ireo tokony hahazo, mametraka ny fangaraharahana amin’ny lamina sy fizarana rehetra. Hiandraikitra sy handrindra ny fanaraha-maso. Vao miandoha dia efa gidragidra, ka asa na ho tafavoaka na tsia. Asa ihany koa na hifandrindra amin’ny asan’ny fokontany, na mety hisy fifanitsahana.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana