Dans la mme rubrique

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

05/06/2020

Anisan’ny toerana ahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 any amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

05/06/2020

Nibahan-toerana mandritra ny tatitry ny misnitry ny fahsalamana manoloana ny solombavambahoaka ny momba ny aretina Covid-19. Nitondra fanazavana ny minisitry ny fahasalamana,Ahmad Ahmad, momba ny ezaka vita momba ny “coronavirus”.

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

Hamaky ny tohiny...

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

05/06/2020

Raha ny tarehimarika farany nivoaka tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray dia firenena miisa 5 no nahitana ny taham-pahasitranan'ny covid-19 tsara indrindra eto Afrika hatreto.

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

05/06/2020

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana Tchadien Mahamoud Youssouf Khayal omaly zoma 4 jona tao amin’ny fampahalalam-baovao Al Wihdad Info, fa olona 34 no notsaboin’izy ireo tamin’ny Covid Organics avy aty Madagasikara.

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

Hamaky ny tohiny...

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

Hamaky ny tohiny...

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tsy fanajana ny làlana sy fepetra Nampitandrina ny ben’ny tànanan’Antananarivo

09/04/2020

Mampahatsiahy ireo fepetra mila tohizana sy hajaina ao anatin’ny 15 andro hisian’ny fihibohana ny Ben’ny tanàn’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina.

 

 

 

Nohamafisiny fa voarara ireto zavatra ireto: ny fivezivezen’ny olona, fiara ary ny moto aorian’ny amin’ny 12 ora , raha tsy ho an’ireo izay nahazo alalana manokana ihany, ny fivezivezen’ny fiara izay tsy manaja ny elanelana 1 metatra ho an’ny olona entiny, ny fisokafan’ireo tsena rehetra toy ny tsenakely, ireo mpaninjara entam-barotra momba ny entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro (grossiste), ireo tsena lehibe (grande surface), ireo tsenam-pokontany sy tsena kominaly aorian’ny amin’ny 12ora atoandro, ny fivarotana hani-masaka eny an-dalam-be, ny fisokafan’ireo toerana izay miteraka fivorivoriana: toeram-pisakafoanana, toeram-pilanonana (toeram-pihirana, toeram-pandihizana, toeram-pilokana…), toeram-pisotroana, ny fivoriana ankalamanjana na anaty trano, ny fitangoronana an-dalam-be na any anaty tanàna. Ny fandikana ireo izay voalazan’ity didim-pitondrana ity, hoy hatrany ny fampahatsiahivana nataony dia mitarika avy hatrany amin’ny fanakatonana vonjimaika ny tsena mandritry ny vanim-potoanan’ny fihibohana, fanagiazana ny entam-barotra, fisintonana ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiara, fandravana ny fivorivoriana an-dalam-be rehetra arahana fampodiana ireo olona mba hihiboka an-trano, ankoatra ny fampiharana ny sazy izay voalaza ao amin’ny Lalana 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991, mahakasika ny vanim-potoana manokana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana