Dans la mme rubrique

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

05/06/2020

Anisan’ny toerana ahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 any amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

05/06/2020

Nibahan-toerana mandritra ny tatitry ny misnitry ny fahsalamana manoloana ny solombavambahoaka ny momba ny aretina Covid-19. Nitondra fanazavana ny minisitry ny fahasalamana,Ahmad Ahmad, momba ny ezaka vita momba ny “coronavirus”.

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

Hamaky ny tohiny...

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

05/06/2020

Raha ny tarehimarika farany nivoaka tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray dia firenena miisa 5 no nahitana ny taham-pahasitranan'ny covid-19 tsara indrindra eto Afrika hatreto.

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

05/06/2020

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana Tchadien Mahamoud Youssouf Khayal omaly zoma 4 jona tao amin’ny fampahalalam-baovao Al Wihdad Info, fa olona 34 no notsaboin’izy ireo tamin’ny Covid Organics avy aty Madagasikara.

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

Hamaky ny tohiny...

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

Hamaky ny tohiny...

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mihazakazaka ny isa Manafosafo ny 100 no voan’ny coronavirus

09/04/2020

Niampy 5 vaovao ireo olona voamarina fa tratry ny coronavirus, ka manome ny isan’ny voa hatramin’izay ho 93.

 Fifampikasohana ny 4 dia lehilahy 49 taona sy vehivavy 62 taona eny amin’ny Hopitaly Befelatanana, ny 2 hafa dia lehilahy 57 sy 48 taona izay avy any Analanjirofo. Ny iray tamin’ireo tranga 5 vaovao kosa, dia mpandeha tamin’ny zotram-piaramanidina tonga teto Madagasikara ny 19 martsa izany hoe tafiditra ao anatin’ny « cas importé ». Efa naraha-maso hatry ny ela izy io, ary izao voamarina fa tratry ny covid-19 izao. Raha ny fitsinjaran’ireo tranga rehetra hatrizay izany dia 55 ny tranga avy any ivelany, ary 38 no voa vokatry ny fifampikasohana Niampy vaovao kosa ireo sitrana, ka ny 3 dia tany amin’ny hopitaly Morafeno Toamasina, ary ny 1 kosa teny amin’ny CHU Anosiala. 82 izany ny olona mbola tazonina eny amin’ny hopitaly. Miparitaka amina hopitaly samihafa eto amin’ny Nosy izy ireo ary misy ny fifandraisana isan’andro amin’ny CCO Covid- 19. Mitovy avokoa ny paikapaika na ny “protocole” hitsaboana azy ireo. Tahaka izany ihany koa ny fepetra hahafaha-mamaritra fa sitrana ny marary iray. Ny mampiseho soritr’aretina mampatahotra dia olona iray tany Toamasina satria tena sempotra be mihitsy ilay ary efa tena natahorana. Efa nahazo fitsaboana anefa izy io ary tsy dia misy atahorana aloha hatreto. Miaraka ny OMS sy ny fitondram-panjakana, ary ny mpitsabo amin’ny fiantsorohana ireo marary.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana