Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalàna nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

EPP AMBATOMANGA Tsy nisy voan’ny Coronavirus ireo mpianatra 50 notiliana

08/04/2020

Efa vita fitiliana avokoa ny 50 isa tamin’ireo mpianatra miisa 104 manovo fahalalana eo anivon’ny sekoly ambaratonga fototra Ambatomanga, distrikan’i Manjakandriana.

 

 

 

 “Négatif” avokoa ny valin’izany hany ka afaka tebiteby avokoa ny Ray aman-dRenin’izy ireo. Anjaran’ireo mpianatra ambiny indray no tokony niatrika ilay “test de diagnostic rapide” nanomboka omaly hahafantarana ny toe-pahasalamany. Raha tsiahivina dia anisan’ny toerana nolalovana tera-tany vahiny iray mitondra ny tsimok’aretina coronavirus ity EPP iray ity. Nanao asa sosialy no nahatongavan’io tera-tany vahiny io tany an-toerana. Na izany aza anefa dia Renim-pianakaviana iray tany an-toerana no voa ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy raha ny loharanom-baovao azo. Taorian’ity tranga ity moa dia efa nametrahana ilay sakana ara-pahasalamana ao an-toerana ka miisa 201 ireo olona efa nandalo nozahana tao, hoy ny vaovao. Tsy mbola nisy hatreto ireo niakatra hafanana be na nahitana sotrir’aretina hafa fa salama tsara avokoa. Mitohy ny asa sahanin’ireo tompon’andraikitra.

 

Pati

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana