Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

03/06/2020

Mifarimbona tanteraka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 mba hahatontosa ny fanamby : “Distrikan’i Fandriana lavitry ny coronavirus” ireo tsara sitra-po any amin’ity toerana ity.

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

03/06/2020

Misy ny ezaka mba hanaraka ny fenitra ny fitiliana. 70 ny “respirateurs” nafarana hiatrehana ny coronavirus.

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Dr Berija Ravelomanantsoa “Misy mamitaka ny filoham-pirenena”

08/04/2020

Henontsika fa misy ny atao hoe TDR, izay fitsapana atao ao anaty 15 minitra. Alaina ny ra dia jerena ao ny hery fiarovana.

 

 

 Ny vokatr’iny indray avy eo no anaovana ny PCR any amin’ny Institut Pasteur hijerena ny ao anaty vava hakana ny “secretion nasale”. Io no ahitana avy eo hoe misy aretina ianao na tsia, hoy ny Dr Berija Ravelomanantsoa, nanazava fohy ny mikasika ny  aretina COVID-19 omaly. Mikasika ny “cas contact” kosa dia nolazaina fa tsara fiambenana isika, raha vao nanomboka ity zavatra ity, kinanjo tsy izay moa no nitranga fa nivoaka kay ireny olona avy any ivelany ireny, hoy izy. Ohatry ny lasa kitoatoa ilay izy. Ny 13 martsa izany no tena tafiditra ny Coronavirus ary ilay vazaha nandehandeha iny no tena lesoka. Tapabolana isika hoe nanao “confinement”. Ny dikan’io dia tsy tokony ho any ivelany ianao. Ny “mise en quarantaine” dia tokony ho an’ny faritra misy ilay valan’aretina. Ny dikan’izay na olona, na biby, na inona na inona dia tokony ho voafehy tsy hivoaka io faritra io. Ohatra hoe Analamanga. Tsy tokony hisy indrafo satria aretina eto no resaka. Tsy hahavoafehy io aretina io mihitsy ny fampiasana fihetseham-po, hoy ny Dr Berija Ravelomanantsoa. Ny zava-nisy dia tsy ho resahako intsony ny nahatongavan’ity Coronavirus ity tany amin’ny faritra toa an’i Fianarantsoa sy Toamasina satria efa iarahantsika mahalala. Vao nanomboka ity zavatra ity dia tsy nisy fitandremana ary ny fanjakana no tompon’andraikitra voalohany. Misy mamitaka ny filoham-pirenena satria “ariviste”, “populiste”, mpisolelaka ny manodidina azy. Mitombo ny isan’ny marary kanefa lazaina fa voafehy ny zava-misy, hoy ny fanazavany. Lasa voafatotry ny fanambarany ny filoham-pirenena. Ho an’I Afrika atsimo izao ny 3 aprily dia 1462 no isan’ny narary. 5 maty. 95 no sitrana. Maraoka nisy narary 1021. 70 no maty. 96 no sitrana. Alzeria, 986. 86 maty. 61 sitrana. Ejipta, 865. 201 no sitrana. Nisy firenena tsy nahitana maty mihitsy toa an’i La Reunion. 40 no efa sitrana tao. I Etiopia. Nisy 3 fa sitrana. Namibia koa 3 no sitrana. Tsy mbola naheno ireo filoham-pirenena ireo nilaza fa nahafehy ny aretina ankoatry ny antsika aho. Samy sarotiny amin’ny aina isika ary tsy miteny izahay hoe tsy manao ianareo. Manao ianareo saingy misy zavatra tsy mandeha araka ny nampanantenaina tamin’ny voalohany hoe vonona isika, hoy hatrany i Berija. Efa fahadisoana ny tsy nanidy ny seranana ara-potoana, hoy hatrany ny fanazavany, dia mbola hanao fahadisoana hafa toy ny famelana ny fodiana any amin’ny faritra indray ve?

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana