Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalàna nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus teny Ampitatafika Mbola tsy fantatra marina izay toerana nisy ilay marary

08/04/2020

Nitondra fanazavana mahakasika ilay toerana nahitana ilay olona voalaza fa mitondra ny tsimok’aretina coronavirus omaly ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika Atoa Rado Ramparaoelina.

 

 Nambarany tamin’izany fa tsy mbola fantatra mazava izay toerana nisy io olona marary io na tao amin’ny Fokontany Faliarivo Ampitatafika izay hiadiadiany na tany amin’ny Fokontany Faliarivo Loharanombato, kaominina Ambavahaditokana, samy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Raha araka ny fanazavany hatrany dia rangahy iray niaraka tamina teratany vahiny Maorisiana io voa io saingy tsy voa kosa ilay vadiny rehefa nampanaovina test. Na izany aza anefa hoy ity Ben’ny tanana ity dia efa noraisin’izy ireo avokoa ny fepetra hahafahana miady amin’ity areti-mandoza ity ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Amin’ity faran’ny herinandro ity ohatra dia hiroso amin’ny famendrahana ranom-panafody ny isan-tokantrano izy ireo rehefa tsy misy tonga ny iraka avy amin’ny fanjakana. Hitadiavany fiaraha-miasa amin’ireo malala-tanana izany amin’ny sarany 1500 Ar isan-tokantrano ka ny kaominina no hameno izany. Mikasika ny fananganana ilay komitin’ny loharano izay hitsinjara ny fanampiana ho an’ireo marefo dia fantatra fa efa tafatsangana omaly ny an’ity kaominina ity. Olona 6 isaky ny Fokontany no raisina amin’izany, raha olona 6 isam-bohitra ihany koa ny hajoro mba hampangaraharaha ny fizarana.

Pati sy Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana