Dans la męme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalĂ na nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fikambanan` ny Sinoa-Malagasy Kinga amin’ny fizarana fanampiana

08/04/2020

Nanolotra fanomezana iatrehana ny COVID-19 ny fikambanan` ny Sinoa-Malagasy omaly.

 

 

 

Hita ho tena mavitrina amin’ny fizarana fanampiana ry zareo ireto satria tao anatin` ny herinandro dia fanintelony izao ity fikambanana ity no nanolotra fanampiana. Taorian` ny CCO COVID-19 sy ny hopitaly CHU Anosiala dia ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) indray no nisitraka izany. Nivondrona ireo mpandraharaha Sinoa ka nanolotra PPN ho an` ny CUA. Kamio lehibe efatra mitatitra vary 350 lasaka avy, menaka 312 tavoahangy isa ary savony miisa 100 baoritra no naterin` izy ireo omaly maraina tetsy amin` ny lapan` ny tanàna. Fomba iray ho an` ireo sinoa entina manaporofo ny firaisankina amin` ny vahoaka Malagasy izao fanolorana izao. « Ady iombonana ny coronavirus, tsy hisy hanaiky ho resy raha tsy miady. Vitantsika miaraka izany » hoy Sylvain Liu, solontenan` ny fikambanana « Anay ihany koa I Madagasikara. Hanohana anareo hatramin` ny farany izahay ary hanome ny herinay miatrika izany valanarenina izany»,hoy ihany izy. Ankoatra izay, ny CUA indray dia nanampy ireo voafonja ao Antanimora sy Tsiafahy noho ny fiaraha-mientana. Vary 50 gony no notolotry ny CUA ho an` ny Minisiteran’ny Fitsarana. Mandalo fahasahiranana tanteraka ny mponina ankehitriny ka tsy adino amin’izany ireo voafonja, hoy ny solontenan` ny kaominina. Mbola hisy hetsika hafa ho tanterahina ho an’ireo ankizy sy ny vehivavy voafonja, hoy hatrany ny fampitaham-baovao.

 

 Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana