Dans la męme rubrique

Iavoloha Nifoaka miaramilan’ny Capsat ilay fiara

04/06/2020

Fiara iray nirifatra niazo iny lalam-pirenena fahafito iny no nifaoka miaramila iray niambina ny sakana ara-pahasalamana teny Iavoloha afaka omaly Talata alina, tokony ho tamin’ny 09 ora.

Iavoloha Nifoaka miaramilan’ny Capsat ilay fiara

Hamaky ny tohiny...

Fitaterana an-dranomasina Hovelomina indray ny seranan-tsambon’i Ehoala

03/06/2020

Maro ireo ezaka tsy maintsy hirosoana hanatsarana ny sehatra fitaterana araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitaterana,

Fitaterana an-dranomasina Hovelomina indray ny seranan-tsambon’i Ehoala

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo renivohitra Mifandramatra ny Taxi sy ny kaominina

02/06/2020

Mihenjan-droa ny tany eo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny fiara karetsaka.

Antananarivo renivohitra Mifandramatra ny Taxi sy ny kaominina

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pirenena faha-5 Taxi-brousse sy tuk tuk tratra nitondra zaza amam-behivavy

29/05/2020

Fiara taxi-brousse sy tuk-tuk, tsy misy mpandeha fa feno entana no mandalo teo amin'ny sakana ara-pahasalamana tany amin’ny lalam-pirenena fahadimy omaly raha hihazo an’i Vavantenina.

Lalam-pirenena faha-5 Taxi-brousse sy tuk tuk tratra nitondra zaza amam-behivavy

Hamaky ny tohiny...

Air Madagascar Nahemotra indray ny fiverenan’ny sidina iraisam-pirenena

27/05/2020

Notohizana ny fiatoan’ny sidina an’habakabaka ho an’ny Kaompania Air Madagascar na efa nisy aza ny vina famerenana ny sidina maro iraisam-pirenena miditra sy mivoaka an’I Madagasikara.

Air Madagascar Nahemotra indray ny fiverenan’ny sidina iraisam-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Maroantsetra Naverin-dĂ lana ilay fiaramanidina

26/05/2020

Niainga omaly ireo mpandeha tamina fiaramanidina madinika niaraka tamin'ny mpanamory hihazo an'i Maroantsetra.

Maroantsetra Naverin-dĂ lana ilay fiaramanidina

Hamaky ny tohiny...

Matsiatra Ambony Mitaky ny hanokafana ny lalana ireo kaoperativa nasionaly

26/05/2020

Nandritra ny fanolorana fanampiana azy ireo, avy amin'ny Governoran’ny faritra no nanambaran'ireo tompon’andraikitry ny fitanterana nasionaly sy rezionaly any an-toerana fa vonona hanaraka ny fitsipika

Matsiatra Ambony Mitaky ny hanokafana ny lalana ireo kaoperativa nasionaly

Hamaky ny tohiny...


Fifamoivoizana

Fanomezan-dalana hody Tsy nifankahazo ny resaka

08/04/2020

Hita fa tena feno olona be indray teny amin’ny gara Andohatapenaka omaly, tsy voahaja ny elanelana iray metatra.

 

 

 

 Famelana hody ireo olona tafajanona eto Antananarivo kanefa mipetraka sy miasa any amin’ny faritra,  no anton’ny fanapahan-kevitra. Tsy nazava tamin’ny olona io fepetra io ka izay no olana ho ny ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Joel Randriamandranto.Maro mantsy ireo nihevitra hoe handeha hiala eto Antananarivo ka hody any ambanivohitra na any amin’ny tany niaviany mba hitsoaka ny Coronavirus.Eo amin’ny 2000  ka hatramin’ny 5000 isan’andro no nangataka ilay fahazoan-dalana. Tsy mety anefa ilay fitangoronana be ary hita fa tena sarotra sy handany fooana  raha hanome fahazoan-dàlàna ho an’ny tsirairay, hoy ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Joel Randriamandranto. Ny “manifold” no tsy maintsy arahi-maso tanteraka, atao dika mitovy 3 iray an’ny kaoperativa, iray an’ny ATT, iray an’ny fiara. Natao mba hahafantarana ny olona rehetra. Tsy maintsy voasoratra ao ny anarana feno, ny laharana an-telefaonina sy ny adiresy.Napetraka ihany koa fa tsy misy miala amin’ny tobim-piantsonana, raha tsy mandalo amin’ny dokotera ny mpandeha tsirairay sao misy marary, misy hafanana,… Rehefa miteny ny mpitsabo hoe afaka mandeha vao azo alefa. Ao anaty fiara, dia tsy maintsy mitondra takom-bava, ary tsy maintsy misy “gel hydroalcoolique” hanasana tànana. Efa mizara izany ny Fikambanana Fitia, raha ny fanazavana. Vonoina avokoa ny mikraoba amin’ny fiara sy eny amin’ny toby fiantsonana. Eny no mampiseho ilay “manifold”, ary mahazo visa na fahazoan-dàlana avy amin’ny ATT sy ny fahasalamana avy eo izay vao mandeha.

FEPETRA HO AN’NY FIARAKELY

Mikasika ny fiarakely, dia tsy mangataka izy satria any amin’ny làlam-pirenena rehetra dia efa misy fanaraha-maso ara-pahasalamana ataon’ny Minisiteran’ny fahasalamana, ATT, mpitandro filaminana. Izay mahafeno fepetra alefa, ary haverina izay mifanohitra amin’izay. Tsy tokony hararaotina ny fanomezana alalana hivoaka.

 

SIDINA ANA HABAKABAKA

Mikasika ny sidina anatiny, dia ny hahazoan’ny olona tavela teto mody ihany koa no anton’io. Nanomboka ny talata hatramin’ny rahampitso alakamisy io. Any amin’ireo faritra mbola tsy misy ny aretina ihany no azo aleha. Etsy amin’ny Biraon’ny Tsaradia Analakely na La City Ivandry. Tsy maintsy mameno ny “fiche” momba ireo mpandeha. Mila ny fitsirihan’ny mpitsabo ihany koa.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana