Dans la mme rubrique

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

03/06/2020

Mifarimbona tanteraka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 mba hahatontosa ny fanamby : “Distrikan’i Fandriana lavitry ny coronavirus” ireo tsara sitra-po any amin’ity toerana ity.

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

03/06/2020

Misy ny ezaka mba hanaraka ny fenitra ny fitiliana. 70 ny “respirateurs” nafarana hiatrehana ny coronavirus.

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

02/06/2020

Mitotaly 826 izany ireo marary ireo hatreto. 174 ihany ireo sitrana, ka 6 vaovao izay ny 5 tao amin’ny hopitaly Morafeno Toamasina, ary 1 teny amin’ny hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka .

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

88 no voan’ny Coronavirus Marary vaovao 6 tao anatin’ny roa andro

08/04/2020

Niakatra ho 88 ireo voamarina fa voan’ny coronavirus eto Madagasikara. Ny 54 amin’ireo dia avy any ivelany na “cas importé”, ary efa 34 kosa ireo tsy nivoaka teto,

 

 

 

 fa efa mitondra noho ny fifampikasohana na “cas contact”. Nisy tranga vaovao 6 tao anatin’ny roa andro, ka ny 3 ny alatsinainy hariva, ary tranga 3 vaovao hafa dia omaly talata, izay samy vokatry ny fifampikasohana avokoa. Iray ihany no tena atahorana satria sempotra izy io, hoy ny fanazavana. Mbola tsy nisy ny maty, ary diso ny filazana izany any amin’ny tranonkala tsy tena an’ny OMS. Ny momba ireo vao voa dia 3 tany Toamasina izay lehilahy miisa telo: 20, 37, ary 39 taona ary tsaboina any an-toerana. Lehilahy iray 43 taona sy vehivavy roa izay 52 sy 55 taona kosa eto Antananarivo. Nisy olona 5 vaovao sitrana manome ho 7 ny isan’ireo rehetra efa sitrana ka 2 avy eny Anosiala, 2 avy eny amin’ny Hopitaly manara-penitra Andohatapenaka, 1 teny amin’ny Polyclinique Ilafy. Efa manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpiasan’ny fahasalamana. Mandray an-tànana amin’ny fitsaboana vokatry ny antso sy ny fitiavana ny mpiray tanindrazana indrindra amin’ny asa efa neken’izy ireo, hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle mpitondra tenin’ny CCO Covid 19. Raha sanatria misy ny maty dia tsy maintsy hozaraina ihany ny vaovao. Ny irariana dia ho voatsabo soa aman-tsara sy ho sitrana ireo marary, hoy izy.

AZA MIVADI-PO

Aza atao mampivadi-po sy mampisaritaka, vao mainka hanarahana ny toromarika rehetra. Fanajana ny iray metatra, fanakonana vava amin’ny lanton-tsandry rehefa mikohaka, fanadiovana ny fitaovana toy ny faladian-kiraro rehefa ivoaka, fanasana ny tànana amin’ny savony, sasany ny entana rehetra nentina avy any ivelany, atanina andro izay azo atanina andro, hajaina ny fahadiovana, mila mitondra aron-tava manakona, hoy ny toromarika nataon’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana