Dans la mme rubrique

Elakelan-trano

21/04/2020

Ny ankamaroan'ny elakelan-trano eto an-drenivohitra toa an' Anosibe,Anosizato,Anosipatrana,ilanivato dia feno olona milalao baolina, loto, feno mpivarotra. Ny tsikaritra koa dia maloto tanteraka ny tanana

Elakelan-trano

Hamaky ny tohiny...

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

14/04/2020

Nidoboka am-ponja any Amiens ilay tovolahy malagasy izay namono nahafaty ny sipany.

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

11/04/2020

Hentitra ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19 Razafimahefa Tianarivelo amin’ny fampanajana ny fihibohana izay hita ho goragora.

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

Hamaky ny tohiny...

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

11/04/2020

“Nahafaly ahy ny nanatrika ny fizaran-tsakafo teo Ankazomanga sy Antohomadinika, niarahana tamin'ny CRA.

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

Hamaky ny tohiny...

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

10/04/2020

Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny mpanao politika sady mpanao gazety Gilbert Raharizatovo.

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

Hamaky ny tohiny...

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

KABARIN’NY FILOHA

07/04/2020

Mivoaka ampahibemaso amin’izay ny adin’ireo vehivavy manodidina ny Filoha. Taorian’ilay kabary izay nolazaina fa mivantana kanefa tsy izany akory ary feno diso ny votoatiny, dia niala bala ny minisitry ny serasera,

KABARIN’NY FILOHA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

 

 Mbola niaritra tapak’andro hafa koa rehefa tonga teny amin’ny barazin’ny fahasalamana izay afaka niainga ihany. Nitaraina ihany ny mpandeha tamin’ny lalam-pirenena faharoa izay nizotra any Toamasina satria mbola voatazona adim-pamataranandro maro teo amin’ny toerana antsoina hoe An-tsarimasina noho ny filaharan’ny olona hatao fitiliana hafanana.

AVOAHY I ARPHINE

Misesy ny fanambaràna izay mitaky ny hamoahana tsy misy hatak’andro an’i Arphine Rahelisoa, mpanao gazetin’ny Ny Valosoa. Taorian’ny fikambanan’ny mpanao gazety miteny frantsay na UPF dia nivoaka tamin’ny fahanginany koa ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety na AFJ ary nilaza ny tokony hamotsorana ny mpiray fikambanana amin’izy ireo dia i Arphine izany. Indrindra koa ao anatin’ny fotoanan’ny andro sarotra lalovan’ny firenena izao ka tsy vahaolana ny fanagadràna mpanao gazety.

BAIKO MIDINA FOTSINY

Anio no ho fantatra na hahazo fahafahana vonjimaika na kosa mitohy hotazomina am-ponja i Arphine Rahelisoa. Handinika ny fangatahana fahafahana izay nataon’ny mpisolovava Willy Razafinjatovo dit Olala ny fitsaràna misahana izany. Raha tsiahivina dia nilaza ny Me Olala fa tena nivaona tanteraka ny fitsaràna ity mpanao gazety ity ary lasa baiko midina fotsiny no notanterahin’ny fampanoavana satria ny fanjakana no nitory ary tsy fantatra mazava hoe iza ilay olona tao ambadik’izany, tao anatin’ny fitoriana.

EFA NAHAVOA NY GIDRO KOA ?

 Ahiana ho efa niparitaka amin’ny gidro ao amin’ny valan-javaboahary ao Vakoana-Andasibe ny coronavirus. Ny anton’izany dia voamarina fa nandalo tao ny mpizaha tany Italiana iray izay nitondra io tsimokaretina io. Manahy mafy arak’izany ny manam-pahaizana amin’ny fiainan’ny biby fa mety efa nisy fifampikasohana tamin’ny olombelona ireo gidro ireo, avy amin’ny mpizaha tany. Tena mifindra tanteraka amin’ny biby toa ny ragidro sy ny rajako tokoa mantsy ity covid-19 ity.

TSY MAHAZO MANEHO HEVITRA

Misy ny « circulaire » izay miparitaka eny anivon’ny mpiasam-panjakana izay miasa eny anivon’ny minisitera samihafa, mampitandrina momba ny fanehoan-kevitra amin’ny facebook. Mizotra tanteraka any amin’ny jadona ny fitondràna ankehitriny ary ny fahalalahana fototra no fehezin’ny fanjakana. Araraotina ny « réquisition » izay manome fahefana feno ny filoha mba entina hanatontosana an’izany. Sarotra anefa ny hamehezana ny olona satria filàna amin’ny fiainana ny fanehoan-kevitra.

 

 

MIHAINO NY MPANOHITRA IHANY KAY

Azo lazaina fa mihaino ny tsikera ataon'ny mpanohitra ihany ny governemanta. Rehefa nanakiana mafy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, momba ilay ministry ny fahasalamana izay tsy mba re feo mihitsy dia nivoaka ihany ity farany omaly ary niezaka nanazava momba ireo tarehimariky ny Covid-19, amin’ny maha-tompon’andraikitra voalohan’ny fahasalamam-bahoaka azy. Na dia lazaina fa mpanenjika any afara hatrany aza dia tsy afa-miala izy ireo noho ny hamafisan’ny mpanohitra 6 %.

 FILOHAM-POKONTANY

Betsaka ny filoham-pokontany izay lasa ratsy endrika eo amin’ny fiaraha-monina noho ny feo mandeha. Misy ny milaza fa izay namany ihany, amin’ireo beantitra, no omena ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana. Misy arak’izany no mimenomenona ary saika isaky ny fokontany izany. Nisy mihitsy aza ny filoham-pokontany sasany no nandrasan’ny olona teo ivelan’ny biraony noho ny resaka mandeha fotsiny.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana