Dans la mme rubrique

Elakelan-trano

21/04/2020

Ny ankamaroan'ny elakelan-trano eto an-drenivohitra toa an' Anosibe,Anosizato,Anosipatrana,ilanivato dia feno olona milalao baolina, loto, feno mpivarotra. Ny tsikaritra koa dia maloto tanteraka ny tanana

Elakelan-trano

Hamaky ny tohiny...

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

14/04/2020

Nidoboka am-ponja any Amiens ilay tovolahy malagasy izay namono nahafaty ny sipany.

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

11/04/2020

Hentitra ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19 Razafimahefa Tianarivelo amin’ny fampanajana ny fihibohana izay hita ho goragora.

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

Hamaky ny tohiny...

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

11/04/2020

“Nahafaly ahy ny nanatrika ny fizaran-tsakafo teo Ankazomanga sy Antohomadinika, niarahana tamin'ny CRA.

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

Hamaky ny tohiny...

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

10/04/2020

Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny mpanao politika sady mpanao gazety Gilbert Raharizatovo.

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

Hamaky ny tohiny...

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

KABARIN’NY FILOHA

07/04/2020

Mivoaka ampahibemaso amin’izay ny adin’ireo vehivavy manodidina ny Filoha. Taorian’ilay kabary izay nolazaina fa mivantana kanefa tsy izany akory ary feno diso ny votoatiny, dia niala bala ny minisitry ny serasera,

 

 

 Lalatiana Andriatongarivo sy ny ekipany ary nilaza fa i Rinah Rakotomanga no tompon’andraikitra. Fantatra koa fa olon’ny televizionan’ny filoha ihany no nanao ny fanambarana ny horonan-tsary ary tsy natrehin’ny talen’ny seraseran’ny prezidansa akory izany rehetra izany kanefa dia izy no nanatitra ny kapila efa vita tany amin’ny Tvm.

VERY ASA

Mpiasa 1200 ao amina orinasa Afaka haba iray no nalefa chomage technique ka tsy niasa intsony nanomboka omaly alatsinainy.Tsy nisy resaka firy, tsy hitanay intsony ny DRH fa taratasy no hitanay hoe mikatona ny orinasa ary mandeha chomage technique izahay, hoy ireo mpiasa.Tsy mazava ny zava-mitrangahoy izy ireo satria ny fitondram-panjakana dia efa nanambara fa tsy alefa chomage technique izany ny mpiasa.Inona izany no ataonay hamelomanay ny fianakavianay, hoy izy ireo.

MANDEHA IHANY NY FANENDAHANA

Mbola misy ihany ny fanendahana eto an-drenivohitra na dia efa mandeha aza ny couvre-feu sy ny fihibohana. Toa vao mainka aza izany mampirongatra ny asan-jiolahy any amin’ny faritra iva satria rehefa tsy misy olona firy mandeha intsony amin’ny alina dia mora hoazy ireo ny manendaka izay tratra farany. Maro ny olona no mitaraina, indrindra fa ireo mody alina noho ny asa ary tsy maintsy mandeha an-tongotra. Handrasan’ny jiolahy fotsiny.

MBOLA RAJAONAH

Nafindra ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao Tsiafahy. Any amin’ny toerana mihiboka tanteraka ary tsy tongan’ny antso an-tariby sy ny tambajotran-pifandraisana no nametrahana azy. Nisy feo izay mandeha fa niketrika fanonganam-panjakana izy ary na dia tsy nisy porofo akory izany dia avy hatrany dia nohamafisina tanteraka ny fiambenana azy ao am-ponja ary natoka-monina mba tsy hisy afaka mamangy intsony, na ny fianakaviany aza dia tsy afaka ny mijery azy.

 

 

FAKANA AN-KERINY

Zazalahy iray no nisy naka an-keriny tao Toliara ary nifanenjehana tamin’iny RN7 iny ny famoahana azy. Voasambotra koa ireo efa-dahy izay nanatontosa an’izany. Raha ny fantatra dia misy hifandraisany amin’ity fangalàna maso izay malaza be any an-toerana ity ary efa nisy maty noho izany ny zaza miisa roa, noho ny finoanoam-poana. Hatao sorona izany ilay zaza ary esorina ny masony, izay no tanjon’ireo olon-dratsy.

MANAHY KORONTANA

Manahy ny mety hisian'ny korontana ara tsosialy ny depiote Tim raha mbola mitohy ny tsy filaminan'ny fizarana fanampiana amin'izao covid19 izao. Efa maro be ireo fitarainana Voaray tamin'ny mponina sasany tsy mbola nahazo na koa zara raha nahazo fanampiana.misy mihitsy ny tezitra ka atahorana ny hitarika any amin'ny korontana izany raha tsy milamina hoy hatrany ny depiote Tim.

TAXI SY TAXI BE

Mahatsiaro ho maty antoka ihany ireo mpitatitra manao taxibe sy taxi na dia nomena fanampiana aza satria izy ireo irery no tsy avela hiasa. Ny taxi brousse sy ny sidina mba nomena andro vitsy iasana mba hanarenana ireo andro maro tsy niasana fa ny taxi Be tsy mba izany. Milaza ny hanao hetsika hitaky izany izy ireo.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana