Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalàna nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus Manomboka miparitaka eto Antananarivo

07/04/2020

Nisy olona 10 vaovao voan’ny covid-19, izay manome ny isa ho 82. Ny amin’ireo 3 no tonga tamin’ny zotram-piaramanidina avy any ivelany Frantsa sy Maorisy.

 

 

 Ny 7 kosa dia “cas contact” na vokatry ny fifampikasohana tamin’ireo olona mitondra ny Covid-19. Ny 5 tamin’ireo dia nifanerasera tamin’ireo efa voa.

Tsy fantatra hoe taiza sy taiza avy

Ny 2 dia tsy dia mazava loatra hoe nifampikasoka tamin’ny olona avy any ampita sa Malagasy efa voa teto, raha ny fanazavan’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Tena manahirana sy mampiahiahy io satria raha halalinina, dia tsy fantatra mazava izany izay olona mety namindra tamin’izy  ireo, izay mety miriaria any sy efa manaparitaka amina olona maro hafa.

Antananarivo, Toliara, Nosy Be

Tamina toerana 3 samihafa eto Madagasikara no nahitana azy 7 ireo, 2 tany Toliara, 1 tany Nosy Be Hell Ville ary io dia nisy soritr’aretina satria sempotra saingy tsy atahorana ny ainy. Ny 4 ambiny kosa dia teto Antananarivo, ka teny Alasora, Ankadifotsy, Ampitatafika sy Isotry no nahitana azy ireo; faritra anisan’ireo tena be olona mifamezivezy ireo. Midika izany fa manomboka ahitana ity valan’aretina ity ny tanàna maro, indrindra fa ny eto Antananarivo Renivohitra sy ireo kaominina manodidina, ankoatra ny any amin’ny Faritra samihafa, izay efa saika ahitana. Raha somary vitsivitsy tao anatin’ny andro vitsy, dia mihazakazaka ny isa raha 10 tao anatin’ny iray andro, ary ahiana ho maro be ny efa voa mbola nmiparitaka any. Hatreto, dia 82 izany ireo tratry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny 2 tamin’ireo no efa sitrana, ary ny 80 no mbola manaraka fitsaboana sy arahi-maso akaiky any amin’ny hopitaly. Marina fa misy ny sitrana, fa tsy maintsy mitohy ary mafimafy kokoa ny fisorohana. Iny mivoaka ny trano iny no mety hifindran’ilay aretina. . Ny ankamaroan’ireo marary dia tsy misy soritr’aretina na dia misy ihany aza ny manavy sy mikoha-maina. Ny 63 amin’ireo 80 no tsy misy soritr’aretina toy ny olona salama tsara. Tsy fantatra mazava ny olona mety efa voa eny amin’ny fiarahamonina. Tsy voatery hisy soritr’aretina ny olona voa, ka ny fanafodiny dia ny tsy mivoaka ny trano satria mety efa mihelohelo eny ny aretina, mety efa maro ny mitondra azy.

Toky R 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana