Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalàna nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Minisitry ny atitany “Mahakivy ny mijery ireo olona eto Iarivo”

07/04/2020

Mahakivy ny mijery ireo olona eto Antananarivo hoe: fa dia nahoana loatra. Teo aloha dia fantatra ireo mety ho voa.

 

 

 

 Fa izao efa miditra amin’ny “cas contact”, hoy ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19 Razafimahefa Tianarivelo. Izao no tena ady lehibe indrindra, tokony hifanomezan-tànana. Aza mivoaka ny trano. Ankasitrahako ny any amin’ny faritra, fa tena manja ny fepetra, manaja ny iray metatra, vitsy ny mivoaka. Aoka mba ho fitaratra ny eto Antananartivo. Rehefa hanontaniana ny olona dia tsy fantatra akory hoe inona no antony hivoahany, hoy izy. Tena zava-doza rehefa miditra amin’ny hoe: “Etat d’Urgence”, hoy ity minisitra ity. Zava-poana ny ezaky ny fanjakana, raha tsy manome tànana dia ny tsy fivoahana ny trano. Efa mitombo ny tarehimarika ary efa zava-doza io. Mampalahelo sy mahavaky fo ny zava-misy. Avy eo hifanome tsiny amin’ny tsy misy dikany, hoy ity minisitra ity naneho ny alahelony. Eto Antananarivo dia efa zava-doza ka mijanonana ao an-trano. Na izaho aza raha azoko atao dia tsy nivoaka fa tsy maintsy miasa. Aoka tsy hivoaka, ary tsy fiangaviana izany fa tena tsy mahazo mivoaka, hoy ny fanambarany. Nanome toromarika ny eny amin’ny lafin-tany sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny handray andraikitra ity minisitra ity.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana