Dans la mme rubrique

Kraomita Malagasy Tsy nandray karama 5 volana ireo mpiasa

22/05/2020

Mpiasa maro eo anivon` ny Kraomita Malagasy no nilanja sora-baventy teny amin` ny CCI Ivato ny alarobia lasa teo, toerana izay hisian` ny fivoriana ara-potoan` ny depiote.

Kraomita Malagasy Tsy nandray karama 5 volana ireo mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Tosika Fameno Nisoratra anarana ny ankamaroan'ny olona ao Ampitatafika

08/05/2020

Malaza be ny tosika Fameno amin’izao, ilay lela-vola 100.000 zarain’ny Fitondram-panjakana ho an’ireo olona tena marefo eny anivon’ny fiaraha-monina.

Tosika Fameno Nisoratra anarana ny ankamaroan'ny olona ao Ampitatafika

Hamaky ny tohiny...

Hand ball – Tompondakan’i Madagasikara Nahery ny As Tsiky vehivavy sy ny Assm lehilahy

18/12/2017

Nifarana omaly alahady 17 desambra tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2017 eo amin’ny taranja hand ball “senior” lahy sy vavy.

Hand ball – Tompondakan’i Madagasikara Nahery ny As Tsiky vehivavy sy ny Assm lehilahy

Hamaky ny tohiny...

Mondial 2018 Vita ny antsapaka fizaram-bondrona

02/12/2017

Vita omaly tany Moscou - Rosia ny antsapaka fizaram-bondron’ireo ekipa handray anjara amin’ny Mondial baolina kitra hotontosaina any amin’ity firenena ity ny 14 jona ka hatramin’ny 15 jolay 2018.

Mondial 2018 Vita ny antsapaka fizaram-bondrona

Hamaky ny tohiny...

Mpanohitra Tsy re feo intsony

22/11/2016

Fotoana elaela izay no tsy dia nandrenesam-peo intsony ireo vondrona politika mitonona ho mpanohitra eto aminny firenena.

Mpanohitra Tsy re feo intsony

Hamaky ny tohiny...

Pastera Mailhol Sarotra ampihavanina ny Malagasy

16/08/2016

Vaky vava ny pastera Mailhol ny sabotsy teo fa sarotra ampihavanina ny Malagasy. Rehefa tsy ny fihavanana, araka ny soatoavintsika Malagasy anefa no manjaka dia ra mandriaka izay no ambadika, adilahy politika, fahapotehana

Pastera Mailhol Sarotra ampihavanina ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson Nanakiana mafy ani Olivier Rakotovazaha

11/07/2016

Tahaka ny olona maro be dia nahita ilay rakitsary mampiseho ny fifamalianny senatera Olivier Rakotovazaha tamina tovolahy iray teny Ankorondrano Atoa Constant Raveloson.

Constant Raveloson Nanakiana mafy ani Olivier Rakotovazaha

Hamaky ny tohiny...


Sarisary

Antoko PSD “Tena tsy mety io famelana ny olona hody io”

07/04/2020

Nandefa taratarasy misokatra ho an’ny Filoham-pirenena ny antoko PSD tarihin’ny Sekretera jeneraliny Rtoa Eliana Bezaza, izay kandida Filoham-pirenena farany teo.

 

 

 

 Mbola vao “3 cas confirmés” teto Madagasikara ny 21 martsa 2020 no nirohotra nody amin'ny tany naviany avy ny malagasy maro tao an-drenivohitra ary efa nampatahotra ny olona eny amin'ny faritra fa hamindra an'ilay tsimok'aretina izany, hoy izy. Nilamina ihany ny saina, nefa akory ny hagagana sy ny fiverenan'ny horohoron-tsaina raha nilaza indray ianao omaly 05 aprily 2020 fa ao anatin'ny telo andro dia mahazo mody any amin'ny faritra misy azy avokoa izay te hanao izany, nefa efa tafiakatra 82 ny isan'ny olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina amin'izao ora hanoratanay izao. Voatily ireo 82 ireo. Fa firy ny tsy voatily ary mbola tsy fantatra eny amin'ny fiaraha-monina rehetra eny ? Ka inona ihany ary no dikan'ilay fihibohana ? Lazaina ombieny ombieny fa ny Coronavirus dia tsy mandeha irery fa olona no mitondra azy. Angaha tsy hoe samy mihiboka avokoa mba tsy hiparitahan'ilay tsimok'aretina ? Ka raha samy mahazo mivezivezy daholo ao anatin'ny telo andro dia misy zavatra mifanohitra sy tsy lojika, hoy ny PSD.

NA ISIKA MIHIBOKA NA ISIKA TSY MIHIBOKA…

Na isika mihiboka na isika tsy mihiboka. Rehefa tapa-kevitra fa mihiboka kosa, dia ianao ihany Andriamatoa Filoha no nilaza fa aleo miaritra kely mba ahazahoana ny soa. Izay no nentinao handresen-dahatra anay vahoaka mba hanohizana ny fihibohana andiany faharoa. Dikan'izany dia tokony miaritra daholo. Tsy misy tokony mahazo mifindrafindra faritra hatramin'ny faran'ny fihibohana. Tsy vitan'izany fa tena miteraka fatiantoka hoan'ny toe-karenan'ny tokantrano tsirairay, ny faritra tsirairay sy ny firenena iray manontolo ny fihibohana. Faharetana avokoa izany ka maninona no ianao ihany indray no hanimba ny asa goavana sy tsara rehetra efa vitanao ary nahitam-bokatra ? Azonao antoka ve fa tsy hivezivezy sy hiparitaka ny tsimok'aretina amin'io fanapahan-kevitra noraisinao io ? Ahoana no ahazahoana antoka an'izany ? Mahafantatra tsara ianao fa misy ny atao hoe “porteur sain” izay mitondra ny tsimok'aretina anefa tsy marary nefa mamindra ny tsimok'aretina. Raha milaza ianao fa sarobidy aminao ny ainay malagasy dia mifanohitra amin'izany ity fanapahan-kevitra noraisinao ity Andriamatoa Filoha…. Tsy mahamenatra ny miverina amin'ny fanapahan-kevitra efa noraisina raha hita fa nisy tsy mety, ary voamaika hitiavan'ny vahoaka anao izany Andriamatoa Filoha. Mitalaho an-tanan-droa aminao mba hiverina amin'io fanapahan-kevitra io satria io no mety hampiely an'ilay valan'aretina amin'ny toerana rehetra mbola tsy misy azy ary tokony harovana mafy mba tsy hidirany, hoy ny hafatra nosoniavin-dRtoa Eliana Bezaza.

 

 Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana