Dans la mme rubrique

JIRAMA Azo hefaina tsikelikely ny faktiora volana Jona

04/06/2020

Mbola mitoetra eto amin’ny firenentsika amin’izao fotoana izao ny fahamehana ara-pahasalamana.

JIRAMA Azo hefaina tsikelikely ny faktiora volana Jona

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Mifandimby mankeny amin'ny CCI Ivato ireo mpiasa

04/06/2020

Araka ny fanazavana nomen'ny tompon'andraikitra vaovaon'ny serasera eny anivon'ny Antenimieram-pirenena Malagasy eny Tsimbazaza,

Antenimieram-pirenena Mifandimby mankeny amin'ny CCI Ivato ireo mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Mahery Lanto Manandafy “Mizotra any amin’ny fipoahana ara-tsosialy izao’’

04/06/2020

Tsy maintsy ahodina ny toekarena raha tsy tiana ho faty ny Malagasy, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Mahery Lanto Manandafy.

Mahery Lanto Manandafy “Mizotra any amin’ny fipoahana ara-tsosialy izao’’

Hamaky ny tohiny...

Tohana ara-tsosialy isan-karazany Lasa mampiady fiarahamonina

03/06/2020

Hatramin’izao dia mbola hita ho mampisambadidaka eny anaty fiarahamonina eny hatrany ny tsy fahatomombanan’ireo tohana ara-tsosialy isan-karazany

Tohana ara-tsosialy isan-karazany Lasa mampiady fiarahamonina

Hamaky ny tohiny...

Fanjifana solika Nihena hatramin’ny 40%

03/06/2020

Vokatry ny fihibohana dia nihena be ny fanjifana ny solika ary mbola feno hatrany ireo toby fitahirizana araka ny fanambaran’ny teo anivon’ny Ofisy Malagasin’ny Akoranafo (OMH).

Fanjifana solika Nihena hatramin’ny 40%

Hamaky ny tohiny...

Fanolanana tao Mahavatse Toliara Fianakaviany akaiky ihany no nanimba ilay tovovavikely

03/06/2020

Nitrangana fanolanana tao amin'ny Fokontany Mahavatse II, distrikan’i Toliara I ny 28 mey lasa teo.

Fanolanana tao Mahavatse Toliara Fianakaviany akaiky ihany no nanimba ilay tovovavikely

Hamaky ny tohiny...

Tsena eny Analakely sy ny manodidina Hikatona avokoa ny 24 sy ny 25 jona izao

03/06/2020

Ao anatin` ny fikarakarana ny fetin` ny fahaleovantena isika amin` izao fotoana izao.

Tsena eny Analakely sy ny manodidina Hikatona avokoa ny 24 sy ny 25 jona izao

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

04/04/2020

Noho ny fidangan’ny vidim-bary eny an-tsena dia lasa manenjika ireo vary mora tonga eny amin’ny Fokontany avokoa ny ankamaroan’ny olona.

 

 

 

Misy amin’izy ireny no amin’ny 04 ora maraina dia efa miandry laharana noho ny fanenjehana ilay amin’ny 12 ora atoandro fotoana tsy hahafahana mivarotra sy mivoaka ny trano intsony ka mety tsy hahazoana ireo voalaza fa entana mora. Fokontany maromaro ao anatin’iny distrikan’Antananarivo Atsimondrano iny no miaina izany, hany ka tsy voahaja intsony ilay elanelana 1 metatra hahafahana miaro amin’ny fiparitahan’ny coronavirus. Eo an-danin’izay mbola hialohavan’ny fitsapana hafanana izany ankoatra ny fahataran’ny fotoana hanombohan’ireo tompon’andraikitra ny asany ka mampitaraina ny rehetra. Misy amin’izy ireny mantsy no efa mahatratra amin’ny 10 ora atoandro mbola tsy mandray olona ihany. Tsy teny atsimondrano irery fa efa ny ankamaroan’ny fokontany nisy vary mora dia feno olona mitangorona sy mivangongo avokoa.Ny alatsinainy lasa teo no efa hoe alamina ilay izy, saingy raha ny hita hatry ny omaly zoma aloha dia tsy nisy nilamina sy nanaja ny elanelana 1 metatra izany fa tena nivadika ho tsena be ny vary mora.Niaiky omaly ireo tompon’andraikitra fa misy tokoa ny zavatra mila amboarina.Mifarana amin’ity an’io ity moa ny fepetra momba ny hamehana ara-pahasalamana, miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana ny mety ho tohiny indray manomboka rahampitso.Efa mifanontany koa ny rehetra hoe : moa ve mbola hitohy ny hetsika na ahoana na ahoana tohin’ny resaka eo sa raha tsy mitohy intsony ny fepetra fihibohana dia tapitra hatreto indray aloha ny vary mora.

 

Pati

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana