Dans la mme rubrique

Raiamandreny miaro an’i Toamasina Mitaky ny fialan’ny Filoha ao anatin’ny 72 ora…

04/06/2020

Nanao fanambarana ireo andian’olona mitonona ho Fikambanana Vondron’ny Raiamandreny miaro an’i Toamasina omaly, izay maneho fa ahitana ny foko rehetra tsy an-kanavaka.

Raiamandreny miaro an’i Toamasina Mitaky ny fialan’ny Filoha ao anatin’ny 72 ora…

Hamaky ny tohiny...

Gidragidra tao Toamasina Nifanjevo ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana

04/06/2020

Nafana ny gidragidra sy fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka tao Toamasina omaly.

Gidragidra tao Toamasina Nifanjevo ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Mpitandrina Hubert Rakotoarivony “Lesoka be ny serasera, tsy hita ny tombotsoa iraisana…”

04/06/2020

Miteraka adihevitra ilay resaka Rova ka ao ny mankatoa ary ao no tsy resy lahatra.

Mpitandrina Hubert Rakotoarivony “Lesoka be ny serasera, tsy hita ny tombotsoa iraisana…”

Hamaky ny tohiny...

K3F Manahy hetsi-bahoaka ho sarotra fehezina

04/06/2020

Nanao fanambarana ny Komitin` ny Fahamarinana sy ny Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana ny fiainam-pirenena.

K3F Manahy hetsi-bahoaka ho sarotra fehezina

Hamaky ny tohiny...

Zasy Angelo “Miato aloha ny tetikasa Tanà-masoandro”

04/06/2020

Mitohy ny fanatanterahana ireo tetikasa samihafa nampantenain` ny Filoha Rajoelina na dia ao anatin` izao fahamehana ara-pahasalamana izao. Isan` izany ny fanamboarana ny “building’

Zasy Angelo “Miato aloha ny tetikasa Tanà-masoandro”

Hamaky ny tohiny...

Randriamamiarizafy Ignace Tsy azo hanaovana n'inona n'inona ny vakoka

04/06/2020

Efa tamin'ny taona 1996 nahatonga antsika Malagasy ho zanatany Frantsay no notsoahin'ity mpanjanaka ity ny fahefana ara-politika sy ara-tsosialy nananan'ny mpanjaka teto Imerina, hoy Randriamamiarizafy Ignace dokotera jeografy,

Randriamamiarizafy Ignace Tsy azo hanaovana n'inona n'inona ny vakoka

Hamaky ny tohiny...

Nampitandrina ny antoko DHD “Lozabe io tsindrona io !”

04/06/2020

Nampahatsiahy ny antoko politika DHD, tarihin’ny filohany, Harinaivo Rasamoelina, fa efa nilaza izy ireo fa tokony ho fitondram-panjakana hifanaraka amin’ny lazainy izao fitondrana izao.

Nampitandrina ny antoko DHD “Lozabe io tsindrona io !”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

 

 

Tsy ho mora ny fanapahan-kevitra eo na ho inona na ho inona, hoy ny filoha. Raha ny any ivelany, dia niha nitombo ny fepetra, nitombo be ny olona voa, ny ao Maorisy dia avo roa eny amin’ny antsika no voa, ary efa maro no maty. Eto amintsika 70 no voa, ary tsy mbola misy ny maty, hoy izy. Tsy miteny aho hoe: tsy tokony hitandrina.

Andry 3 lehibe

Hamory ireo filohana andrim-panjakana rehetra anio ny filoham-pirenena, hiresaka amin’ny filoham-piangonana, amin’ireo olom-boafidy, hifanakalo hevitra amin’ireo tompon’andraikitra any amin’ny faritra misy ny covid-19. Vita izay dia hiresaka amin’ireo profesora mahafantatra ny valan’aretina. Hisy ihany koa ny filankevitry ny minisitra anio. Goavana ny adidy iantsorohan’ny filoha amin’izay fanapahan-kevitra ho raisina eo, ary na dia maro be aza ireo olona hifandinika aminy sy hanolo-tsaina azy, dia azy ny teny farany.Tsy maintsy lanjalanjaina ny lafiny ara-pahasalamana aloha voalohany indrindra satria valan’aretina efa mamely izao tontolo izao no fahavalo atrehana,Ny fitaovana, ny olona miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ary indrindra fa ny paikady.Faharoa, tsy azo hamaivanina ny lafiny toekarena, satria iaraha-mahalala ihany ny fahasahiranan’i Madagasikara koa raha mbola mitohy ny tsy famokarana dia ho raharaha ary tsy maintsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny sandam-bola sy ny ati-vilanin’ny isan-tokantrano; tsy afaka ny hizara vola ho an’ireo sahirana foana ny fitondram-panjakana fa misy fetrany io.Fahatelo, tsy maintsy mitandrina ny filoha eo amin’ny sehatra politika fa raha diso fanapahan-kevitra eo izy dia hampandringa ny ambim-potoana hiasany izany ary mety tena handetika azy mihitsy aza.Raha mandray ny fanapahan-kevitra mety sy mahasoa ny rehetra  kosa izy dia hivoaka ho mpandresy ka hahavita hanarina sy hampandroso ny firenena.Mazava anefa ny resaka eto fa tsy misy vahaolana mety sy hahafapo 100% ny rehetra amin’izao toe-draharaha izao fa tsy maintsy marimaritra iraisana no hahatafavoaka.

 

 

Miovaova

Reko ny fitarainan’ny olona amin’ilay hoe ny hoanina anio tadiavina anio, hoy i Andry Rajoelina. Manao ezaka ny fitondrana hanao ilay hoe tsinjo ho an’ny besinimaro. Eo no mandinika indray hoe: Ara-toekerana ve dia zakan’ny firenena Malagasy ny miatrika izao. Araka ny fandaminana izay tiantsika hapetraka mety ho vitantsika ve ny fifehezana ara-tsosialy? Ara-pahasalamana dia mila fakafakaina tsara ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina. Fa raha izaho manokana no anontaniana tao anatin’izay 15 andro izao dia hitako hoe nanao ezaka ny rehetra, na eo aza ny saonjo iray lohasaha. Ny ankamaroan’ny olona dia niray fo sy saina. Eto aho dia milaza amin’ny Malagasy, hoy ny filoha fa raha mihoatra ny 300 ny tranga dia miditra stade 2 isika, raha mihoatra ny 50 ny maty dia efa sarotra ny raharaha. Androany dia voafehy kanefa io miovaova, raha ny fanazavany. Efa tody tany Ambatomanga, Antsiranana, Nosy be, Fianarantsoa, Morondava, Toamasina , ny valan’aretina hoy ny filoha. Mila jerena sy fakafakaina lalina izany rehetra izany, ka amin’ny alahady ny tenako mifanao fotoana amin’ny Malagasy, hoy i Andry Rajoelina.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana