Dans la mme rubrique

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

05/06/2020

Anisan’ny toerana ahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 any amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

05/06/2020

Nibahan-toerana mandritra ny tatitry ny misnitry ny fahsalamana manoloana ny solombavambahoaka ny momba ny aretina Covid-19. Nitondra fanazavana ny minisitry ny fahasalamana,Ahmad Ahmad, momba ny ezaka vita momba ny “coronavirus”.

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

Hamaky ny tohiny...

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

05/06/2020

Raha ny tarehimarika farany nivoaka tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray dia firenena miisa 5 no nahitana ny taham-pahasitranan'ny covid-19 tsara indrindra eto Afrika hatreto.

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

05/06/2020

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana Tchadien Mahamoud Youssouf Khayal omaly zoma 4 jona tao amin’ny fampahalalam-baovao Al Wihdad Info, fa olona 34 no notsaboin’izy ireo tamin’ny Covid Organics avy aty Madagasikara.

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

Hamaky ny tohiny...

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

Hamaky ny tohiny...

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

CORONAVIRUS MANERAN-TANY Maneran-tany Maherin’ny 1 tapitrisa no voan’ny Coronavirus

03/04/2020

Maherin’ny 50 000 ny maty maneran-tany, ary efa maherin’ny 1 tapitrisa ny olona voamarina fa tratry ny Covid 19, ka ny 500 000 amin’ireo dia any Eoropa avokoa.

 

 

Mbola ho sarotra ny ady, raha jerena amin’ny fitomboan’ny olona maty, indrindra ireo any amin’ireo ivon’ny aretina amin’izao fotoana izao; ny isan’ny marary rahateo tsy mitsaha-mitombo isan’andro. Voasokajy ho krizy mafy indrindra teto ambonin’ny tany taorian’ny ady lehibe faharoa no lalovan’izao tontolo izao ankehitriny.

Italie

Mitady hitsoaka an-daharana ny mpitsabo…

 

Italie hatrany no mitana ny laharana voalohany amin’ny isan’ny olona maty. 760 indray no ripaka tao anatin’ny 24ora. Tafiakatra 13 915 ny maty. 4668 ny tranga vaovao voamarina, izay mitovitovy amin’ireo efatra andro lasa ihany. Manomboka mitaintaina amin’ny faharerahana tafahoatra ny mpitsabo, ary manomboka mitsoaka ny hopitaly dieny mbola tsy tandindonin-doza loatra ny ainy, ary indrindra mbola tsy nifindran’ny valan’aretina. Tratry ny tsindry tanteraka amin’ny hamahana ny fihibohana sy tsy fahafahana mivoaka ny trano ny governemanta kanefa mety hohalavaina hatramin’ny tapaky ny aprily farahafahakeliny izany.

(SARY: Italie)

Espagne

Tratra ny isa 10 000

 

Tafiakatra 10 003 ho an’ny olona maty ho an-dry zareo Espaniola, izay laharana faharoa aorian’I Italie amin’ny firenena be maty indrindra. Tao anatin’ny 24ora mantsy dia nahatratra 950 ny isan’ny olona maty tany amin’ity firenena ity. Mahatratra 110 000 kosa ireo olona mitondra ny Covid-19. Na izany aza dia misy fihenany kely ny tahan’ny fiakaran’ny voa satria niampy 7,9% teo izany, raha nahatratra 18 tamin’ny herinandro ambony. Manomboka manana tsirim-panantenana noho izay antontan’isan’ny voa izay ny Minisitry ny fahasalamana Salvador Illa, ary naneho fa efa miditra amin’ny dingan’ny fahalefahan’io areti-mandringana io izy ireo. Ny toekarena miha mitotongana, mahazo vahana ny fahantrana, ary mandindona ny tsy fananan’asa faobe.

(SARY Espagne)

Donald Trump

“Ho henjana io herinandro ho avy io”

 

Ny 85% amin’ny Amerikanina amin’izao fotoana izao no mihiboka tsy mivoaka ny trano. Manahy ary efa nilaza ny Filoha Donald Trump fa ho henjana iny herinandro ho avy iny. Efa mieritreritra hahatratra 100 000 hatramin’ny 240 000 ny ho fatin’ny coronavirus. Mahatratra 216 000 ny voa any amin’ity firenena ity, ary 5116 no efa maty, ka ny 884 no maty tao anatin’ny iray andro, izay sokajiana ho isan’ny maty be indrindra tao anatin’ny iray andro tany an-toerana hatreto. Mitontongana ny toekarena, ary betsaka ny very asa. Tao anatin’ny andro vitsy izao dia tafiakatra 6,6 tapitrisa ny taratasy fangatahan’asa voaray. Mafy noho ny krizy tamin’ny 2008 ity, hoy ny Filoha Amerikanina.

(SARY Donald Trump)

 

Philippine

Tifirina ho faty izay tsy manaja ny fihibohana

 

 Nanome baiko ny polisy hitifitra sy hamono ireo olona tsy manaiky ny fihibohana ny Filoham-pirenen’i Philippines Rodrigo Duterte. Efa ny alarobia teo ny kabary naneho izany, saingy mbola adihevitra lehibe maneran-tany amin’izao fotoana izao. “Raha hampiditra sy hiteraka olana, dia aleoko mandefa anao any am-pasana”, hoy izy nampitandrina. Raha 3,9 miliara ny olona eto ambonin’ny tany asaina mihiboka dia, ny Filipianina ny 110 tapitrisa amin’ireo. Ny ankamaroan’ireo mponina any anefa, dia sahirana tanteraka, ary tsy an’asa.

 

Banky iraisam-pirenena

Hanetsika 160 miliara dolara

 

Mihevitra ny hamoaka vola 160 miliara dolara ao anatin’ny 15 volana ho avy ny Banky Iraisam-pirenena. Natao hanampiana ireo firenena maro amin’ny fiatrehana ny krizy ara-pahasalamana io, ary hanohanana ihany koa amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny toekarena. Ity no krizy mafy indrindra teto ambonin’ny tany taorian’ny ady lehibe tamin’ny 1945, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Firenenana Mikambana Antonio Gutteress

British airways

Mpiasa 28 000 very fihinanana

 

Nanapa-kevitra ny Kaompania Britanika British Airways fa hampitsahatra mpiasa miisa 28 000, izay manome 60% amin’ny mpiasa rehetra manodina ity orinasa goavana eo amin’ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka ity. Miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ireo, fa naman’ny mihantona tanteraka amin’ny asany izany hatreto. Ny orinasa Amerikanina Boeing ihany koa dia manomana « plan de départs volontaires » na drafi-pialana an-tsitra-po ho an’ireo mpiasa, izay hivoaka amin’ny antsipirihany amin’ny herinandro ambony. Ny Vondron’orinasa Accor, izay misehatra amin’ny tontolon’ny fandraisam-bahiny kosa dia nanapa-kevitra nanakatona ny 2/3n’ireo hoteliny maneran-tany.

 

Nangonin’i Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana