Dans la mme rubrique

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy maintsy mampitombo ny trosa isika »

03/06/2020

93 tapitrisa dolara mahery ny trosantsika amin’ity taona ity tokony haloha, ka 12 hatramin'ny 13 tapitrisa isam-bolana ny tokony ho fanefana izany, raha ny nambaran’ny Praiminisitra.

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy maintsy mampitombo ny trosa isika »

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Minisitra 5 no nanao tatitra omaly

03/06/2020

Minisitra dimy no nanao ny tatitra ny zava-bitany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly teny amin’ny CCI Ivato.

Antenimieram-pirenena Minisitra 5 no nanao tatitra omaly

Hamaky ny tohiny...

Berija Ravelomanantsoa Tazonin’ny zandary eny Fiadanana

03/06/2020

Ny alin’ny alatsinainy 01 jona teo tamin’ny 9 ora no nandrenesanay fa voasambotra ny filohan’ny fikambanana Soluma, Berija Ravelomanantsoa , hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Riana Rakotonirina.

Berija Ravelomanantsoa Tazonin’ny zandary eny Fiadanana

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery eto Madagasikara Tena hamaivanin’ny fanjakana…

03/06/2020

Fanamarihana hatry ny ela tsy ny fahamatorana ara-potoana ho an’ny fanaovana fandaharana manokana mikasika ny hamehana ara-pahasalamana.

Haino aman-jery eto Madagasikara Tena hamaivanin’ny fanjakana…

Hamaky ny tohiny...

Loholona-Governemanta Nafana ny adihevitra teny Anosikely

03/06/2020

Nihaona tamin’ireo Loholon’i Madagasikara ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izay notarihin’ ny praiministra omaly tetsy amin’ny Lapan’Anosikely.

Loholona-Governemanta Nafana ny adihevitra teny Anosikely

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

02/06/2020

Ny 17 mey tamin’ny kabarin’ny Filoham-pirenena no efa tsy nisy resaka na fehezanteny iray monja aza ny vahaolana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahasahiranam-bahoaka eo anatrehan’ny hamehana. Tsy mbola nahitana resaka io ny alahady teo.

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

02/06/2020

Rehefa migadona ny 01 jona dia fotoana hananganana sainam-pirenena satria manakaiky ny Fetin’ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena..

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

 

 

 

na ny fikambanana iray. Mila tanterahina miaraka amin’ny vava avokoa ny tenin’izy ireo” hoy Hilda Ravelonahina sy Toavina Ralambomahay, Mpanolotsain’ny Tanànan’Antananarivo, voafidy tamin` ny alalan` ny vondrona politika KOMBA. Misy mihitsy filoham-pokontany voatery manao triplette satria hanatitra lisitry ny mpisitraka ny fanampiana amin’ireo ambaratonga rehetra ireo. Tsy matory andro aman’alina tahaka ny Filoham-pirenena ihany koa ny mpiasa ao amin’ny fokontany. Inona no atao amin’ny manaraka mba hialana amin’izany?, hoy izy ireo. Nandroso soso-kevitra miisa maromaro hisafidianana ny KOMBA. Ohatra iray, ny fidian’ny mponina rehetra ny sefom-pokontany. Fidiana ihany koa nefa ny ben’ny tanana. Raha izany dia mila faritana ny fahefana hananany mikasika ny lalana na dina, na fifampitondrana; fantarina iza no mandoa ny karamany sy ny mpiara-miasa aminy. Hafahafa mantsy raha ny Fanjakana foibe na ny Kaominina no mandoa ny karamany satria manjary alaimpanahy hibaiko azy indray ireo. Raha samy voafidy ny Ben’ny tanana sy ny filoham-pokontany maro be dia mety hiverina indray ny ady tahaka ny tamin’ny prezidà Zafy sy ny Mpiraiministra Ravony. Samy olom-boafidy izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy maintsy hikitika lalampanorenana mantsy atoato ka aleo dieny izao dia manolotsaina mba tsy ho tampohin’ny “hevitra-baiko midina”. Ny krizy, dia manome fotoana hieritrertana indrindra ho anay Mpanolotsain’ny tananan’Antananarivo izay manao fitsidihina ifotony (fa tsy mibaiko fokontany) nefa ihany koa manaja ny fihibohana na “confinement”, hoy ihany ireto mpanolontsaina ireto. ‘

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana