Dans la mme rubrique

Matsaborilava Ambanja Lehilahy voakapa tanana noho ny resaka vehivavy

04/06/2020

Nitrangana toe-javatra mampihoron-koditra tany amin’ny kaominina ambanivohitra Matsaborilava, distrikan’Ambanja, omaly.

Matsaborilava Ambanja Lehilahy voakapa tanana noho ny resaka vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Tambavy CVO Ilay fanafody diplaomatika…

04/06/2020

Omaly no nandefa fiaramanidina manokana teto amin'ny BANI Ivato mba haka ny fanomezana avy amin'ny Fanjakana Malagasy ny Émirats Arabes Unis.

Tambavy CVO Ilay fanafody diplaomatika…

Hamaky ny tohiny...

Ambodivonkely Ambohimanarina Lehilahy mamo nandona polisy tamin’ny moto

03/06/2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana narahana fitsoahana andraikitra teny Ambodivonkely Ambohimanarina ny alatsinain’ny Pentekosta lasa teo tokony tamin’ny 9 ora sy 20 minitra alina.

Ambodivonkely Ambohimanarina Lehilahy mamo nandona polisy tamin’ny moto

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny fiovaovan` ny toetry ny andro Manana anjara toerana lehibe ny Bambou

03/06/2020

Hampidirana anisan` ireo hazo ho voalena amin` ny taom-pambolena nasionaly manaraka ny Bambou, araka ny fampitam-baovao navoakan` ny ministeran` ny tontolo iainana sy ny ala (MEDD).

Ady amin` ny fiovaovan` ny toetry ny andro Manana anjara toerana lehibe ny Bambou

Hamaky ny tohiny...

Sambava Niakaran’ny voay ny lapan’ny Tanàna

02/06/2020

Tonga amin’ny ara-bakiteny hoe nikoropaka ny tao an-dapa ny zava-nitranga tao amin’ny lapan’ny tananan’I Sambava ny sabotsy teo.

Sambava Niakaran’ny voay ny lapan’ny Tanàna

Hamaky ny tohiny...

Behenjy Fiara kely tratra nitondra olona an-tsokosoko

02/06/2020

Misy hatrany ny olona mivoaka an-tsokosoko ny faritra misy azy amin’izao. Fiara kely iray indray no saron’ny mpitandro ny filaminana tao Behenjy saika hivoaka

Behenjy Fiara kely tratra nitondra olona an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

29/05/2020

Nampanantsoin’ny sampana misahana ny heloka bevavan’ ny zandarimariam-pirenena omaly maraina nohadihadiana momba ny fahafatesan’i Dr Daniel ny alahady 24 mey teo ny Pr Ralandison Stéphan Lehiben’ny CHU Toamasina sady Sojaben’ny Fakioliten’ny Fitsaboana any an-toerana.

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

02/04/2020

Sokajin’olona miisa 14 eo no nambaran’ny fanjakana fa hotolorana tohana ara-tsosialy manokana, ka isan’izany ny mpamily sy resevera ho an’ny taksibe,

 

 

 

 ny mpamily fiarakaretsaka, ny zokiolona, ny mpivarotra amoron-dàlana, ny mpanasa lamba, ny mpivaro-tena,… Mandeha ny fizarana PPN na entana ilaina andavandro no zaraina amin’io, fa tsy vola 100 000Ar araka ny fampanantenan’ny Filoha. Misy ireo sokajin’olona manomboka mampiaka-peo sy mitaky ihany koa ny anjara fanampiana ho azy. Tany Toamasina, dia efa nihetsika ireo mpitarika posy, ka raikitra ny sakoroka. Mandrahona ny hanao fitokonana ihany koa ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly sy rejionaly ho an’ny anio, raha tsy misy ny fiovana. Ireo etsy amin’ny Toby fiantsonana etsy Ampasampito no nahenoana an’io omaly, ka andrasana izay ho tohiny. Samy norarana tsy hiasa sy tsy hivezivezy izao, samy tapaka asa fivelomana, koa nahoana no taksibe sy fiarakaretsaka ihany no mahazo? Hoy izy ireo. Asa izay mety ho fanapahan-kevitra avy amin’ny fanjakana, fa zary mihamafana ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao. Sarotra ny mitantana sy mandrindra ny fanampiana satria ny sehatra rehetra, ny sokajin’olona rehetra amin’ny ankapobeny no voatohintohina sy lasibatra noho ny fanapahan-kevitry ny fanjakana, mba hisorohana ny fipariahan’ny areti-mandringana Covid-19.

Manome 48 ora ireo mpitatitr’entana

Mandrahona ny hitokona tsy hitatitra entana ireo mpamily kamio raha tsy jerena ny fanampiana azy ireo. Manomboka tsy misy entana mantsy ao amin’ny Seranantsambo fa tsy tonga ny sambo noho ny tahotry ny sazim-pahatarana na ny “Surestarie” noho ilay “quarantaine” atao amin’izy ireo 15 andro ny fanjakana sy ilay 5 andron’ ny apmf, hany ka saika tavela ao Maorisy avokoa ireo entana tokony ho avy eto amintsika.  Vao mainka hiteraka olana goavana ara-toekarena sy ara-tsosialy io satria miankina amin’izy ireo ny famatsiana ny entana ilaina amin’ny andavanandro. Ahiana vao mainka hidangana ny vidim-piainana. Manome 48 ora  ny fanjakana izy ireo hijerena vahaolana. Re fa mety ho avy any Toamasina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina anio.

Toky R sy Marigny A

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana