Dans la męme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

03/06/2020

Mifarimbona tanteraka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 mba hahatontosa ny fanamby : “Distrikan’i Fandriana lavitry ny coronavirus” ireo tsara sitra-po any amin’ity toerana ity.

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

03/06/2020

Misy ny ezaka mba hanaraka ny fenitra ny fitiliana. 70 ny “respirateurs” nafarana hiatrehana ny coronavirus.

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

CORONAVIRUS MANERAN-TANY Italie

02/04/2020

Nisy fihenany kely ny isan’ny maty indray andro

 

 

 

43 082 ny isan’ny olona maty, izany hoe nanatombo 3000 mahery mitaha amin’ny omaly. 865 970 ny olona voamarina fa voan’ny Covid-19 izay mielim-pantrana amina firenena 186. Teo amin’ny 172 500 kosa no efa sitrana. 727 ny maty tany Italie tao anatin’ny 24 ora, izay manome ny tambatr’isa rehetra ho 13 155 hatramin’ny omaly. Io 727 io no isa ambany indrindra raha miainga amin’ny 26 martsa ka hatramin’ny omaly 1 aprily. Ny 27 martsa dia 919 izay betsaka indrindra, 889 ny 27 martsa, 756 ny 28 martsa, 812 ny alatsinainy teo, ary 837 ny talata. Omaly kosa no nisiana tahan’ny fahavoazana be indrindra satria 4782 ny tranga vaovao tao anatin’ny iray andro, ka nampiakatra ny isan’ny rehetra voa ho 110 574.

(SARY: Italie)

Frantsa sy Royaume-uni

Nitombo ny isan’ny maty

 

Raha 381 talohan’izay, dia nahatratra 563 ny namoy ny ainy tany Royaume-Uni omaly, ka mampiakatra ny isan’ny olona maty ho 2352, amin’izao fotoana izao. Mahatratra 29 474 ny olona voa, ka ny 4324 amin’ireo dia tranga vaovao avokoa. Ho an’ny Frantsay kosa raha 499 no notaterina teto omaly, dia nihoatra kely izany omaly satria nahatratra 509, ka manome ny isan’ny olona rehetra voa ho 4032 hatramin’ny omaly. Mbola lavitry ny afo ny kitay amin’ny hivoahan’ny vahaolana haingana sy mahomby tsy hampihena haingana ny isan’ny maty any Eoropa, raha dinihina amin’izao.

 

CHINE

Misy tranga vaovao 36 avy any ivelany

 

Raha noheverina fa voafehy tanteraka ny coronavirus any Chine, Hong-Kong, Singapour, dia manahy ny heverenany indray ireo firenena ireo taorian’ny fanatsaharana ny fihibohana. Nitombo indray mantsy ny tranga vaovao. Ho an’i Chine izay fototra niaingan’ny Covid-19, dia nanambara ny Minisitry ny fahasalamana any an-toerana omaly alarobia 1 aprily fa nisy tranga vaovao 36 indray tany an-toerana omaly. Olona avy any ivelany nody any Chine daholo anefa ireo, fa tsy tranga tao amin’ny firenena na ilay antsoina hoe: “cas importés”. Mba hisorohana ny tranga vaovao dia manidy ny sisin-taniny ho an’ireo vahiny izy ireo, ary ireo olona mihevitra ny hiditra any, dia tsy maintsy miaina ny fanonkana-monina 14 andro.

 

Hopitaly any Eoropa

Manomboka tsy ampy ny fanafody

 

Hopitaly 9 any Eoropa no nanao fanairana manoloana ny risika mety tsy ahitana fanafody karazany maro toy ny “relaxants musculaires”, “sedatives” , ny fanafody “analgésiques,… izay tena nandeha be kanefa tsy ampy ny famatsiana ary mety tsy hisy intsony noho ny coronavirus. Isan’ny nanao io fanairana io ny AP-HP (Assistance publique Hopitaux de Paris), San Raffaele any Milan Italie, Vall d’Hebron any Barcelone Espagne, King’s Health Parteners any Londres Angleterre, ary ny La Charité any Berlin Allemagne,… izay samy nanaitra ny governemantany avy manoloana io toe-javatra io.

 

AFRIKA

Firenena 4 tsy mbola ahitana Coronavirus

 

Miisa 4 ireo firenena ny fanjakana mbola tsy ahitana ny Coronavirus aty Afrika, dia I Lesotho, Malawi, Sao Tomé-et-Principe ary I Soudan Atsimo. Nanomboka ny alatsinainy teo ny any Lesotho no nandray ny fepetra fihibohana mandritra ny 25 andro na tsy mbola misy tranga voamarina aza any amin-dry zareo. 2 tapitrisa monja ny mponina ao amin’ity firenena ity, ary tsy mba manana fitaovana hanaovana fitiliana na ivon-toerana afaka mitily, ary ny 26 martsa teo no tong any fitaovana avy amin’ilay mpanefoefo sinoa Jack Ma izay nanome an’I Madagasikara ihany koa. Misy ihany ny tranga 8 ahian’ny fanjakana, saingy mbola miandry ny tena valin’ny fitiliana.

 

 

 

Tsy fanajana fihibohana

Handoavana lamandy hatramin’ny 450 euros

 

Tsiahivina hatrany fa nohalavaina hatramin’ny 15 ny fihibohana any Frantsa, ary 200 hatramin’ny 450 Euros ny sazy ho an’izay tsy manaja izany. Mitotongana tanteraka ny tsenan’ny orinasa goavana mpamokatra fiara any Frantsa noho ny krizy ateraky ny coronavirus. Mitotongana hatrany ny toekarena, ka ho an’ny famokarana fiara, ohatra, dia nitotongana 72,2% ny fivoahan’ireo fiara mahazo laharana vaovao ho an’ity volana martsa ity, araka ny tatitra nataon’ireo mpamokatra fiara Frantsay omaly alarobia.

 

Nangonin’i Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana