Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

03/06/2020

Mifarimbona tanteraka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 mba hahatontosa ny fanamby : “Distrikan’i Fandriana lavitry ny coronavirus” ireo tsara sitra-po any amin’ity toerana ity.

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

03/06/2020

Misy ny ezaka mba hanaraka ny fenitra ny fitiliana. 70 ny “respirateurs” nafarana hiatrehana ny coronavirus.

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

58 no marary Mitombo isa ny Malagasy voan’ny Coronavirus

02/04/2020

Olona 4 vaovao no voamarina fa voan’ny Covid-19 omaly atoandro, ka 54 ny isan’ny rehetra voa teo.

 

 

 

Tsy nivoaka teto ireo fa olona nifanerasera akaiky tamina olona nitondra ny tsimok’’aretina ;  nahazo tamin’ilay vazaha mpizahatany tonga izay efa namindra tamina olona roa, dia ny mpamily sy ny mpiseradia nitarika azy izy ireo, raha ny fanazavan’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Nifampitakosona tamin’ireo olona efa namindran’ilay vazaha izany izy efatra ireo. Nisy fitadiavana ireo olona nifampitakosona tamin’ireo voa, ka nahitana azy ireo. Malagasy avokoa ireo ka iray no vehivavy, 34 monina eto Antananarivo, ny faharoa 13 taona eto Antananarivo, ny fahatelo 49 taona mbola eto Antananarivo ihany koa, ary ny iray fahaefatra dia 30 tany Toamasina, ary efa nampidirina ao amin’ny CHU Morafeno. Ireo tranga voamarina ireo, dia tsisy soritr’aretina ivelany ny 3. Ilay any Toamasina no manavy sy mikohaka. Samy arahi-maso andro aman’alina izy ireo. Tsy misy atahorana ny fahasalamany. 6 ny tranga azo tamin’ny fifampikasohana amin’izao, hoy izy ny atoandro. Nilaza kosa ny Filoham-pirenena omaly hariva, fa raha natao ny TDR (Test de Diagnostique Rapide) dia teo amin’ny mpandeha 925 avy any ivelany no vita omaly, raha 2500 tao anatin’ny roa andro. 4 tamin’ireo “positif” ny valiny. Ny 2 tamin’ireo voa dia mpivady 66 sy 67 taona. Ny faharoa nandeha tamin’ny AF934 avy any Frantsa 54 taona sy 47 taona vehivavy. 315 ny teny amin’ny Jumbo Score izay “negatif” avokoa. Avy any Kenya, Maorisy, La Réunion ireo. Ireo teny amin’ny CCI, dia saika ireo avy amin’ny Air France. 58 ny olona mitondra ny Covid19 eto Madagasikara amin’izao, hoy ny Filoham-pirenena.

TRANGA MARO MAMPANAHY

 Nisy vazaha iray nitondra ny tsimok’aretina izy tany Frantsa izay hafa mihitsy fa tsy ilay mpizaha tany efa nitety faritra. Mbola tsy sempotra , mbola tsy narary. Nankeny Isotry nitady ravintsara ity vazaha ity mba hitsabony tena, ary avy hatrany dia namindra tamin’ilay mpivarotra .Narary io lehilahy mpivarotra io,  nanomboka hita taratra satria nikohaka, sempotsepotra,… Niitatra ihany ny raharaha ka nojerena indray izay nifampikasoka taminy. Isan’izany ny tovolahy kely 13 taona, izay voamarina fa voan’ny coronavirus ihany koa.Ankoatr’izay nisy vazaha iray mpiasan’Ambatovy tratran’ilay aretina, natao test izy dia nivaly ny fitilian’ny IPM, ka voamarina fa voa. Nisy olona roa hafa nifanerasera taminy tratra ihany koa. Fa ny talata lasa teo dia nisy tovovavy nifampitadiavana,araka ny fanazavan’ny filoham-pirenena. Naao fitiliana izy io  ka “positif” , asa na menatra na natahotra fa tonga dia nirifatra nitsoaka ka nifampitadiavana erak’Antananarivo. Mandeha ny fanadihadiana satria mety efa nifanerasera taman’olona tany izy.Manomboka anio kosa dia hijery ny orinasa eto Madagasikara, izay afaka manjaitra aro vava ny fitondram-panjakana. Hovatsiana izany ny isan-tokantrano.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana