Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fihibohana an-trano Nampihena ny loto etsy sy eroa

01/04/2020

Tsikaritra kosa aloha tato ato ny tsy fisian’ny loto mahazatra eny amin’ny arabe. Na eny anivon’ireo mpivarotra zava-pisotro sy ireo hani-masaka dia hita fa tsy ahitana loto firy tahaka ny talohan’ny fisian’ny aretina coronavirus.

Na izany aza dia mbola mampitaraina ny maro, indrindra ireo mpiantsena manao ny tahiry (provision) ny loto eny amin’ny tsenabe tahaka ny eny Anosibe, Namontana, Andravoahangy,  Ambodivona, Petite Vitesse. Tokony hisy fiaraha-mientana hatrany miainga amin’ny tompon’andraikitra mpanadio sy ny vahoaka eny ifotony indrindra ireo mpivarotra mbola manao ny asa fanaony. Mila apetraka ihany koa ny fepetran’ny fahadiovana indrindra ny eny amin’ny faritra iva ary ilaina fahatsapan-tena amin’ny tsirairay. Tokony efa mazava tsara amin’ny rehetra fa tsy milatsaka avy any an-danitra tsy akory ny fako sy ny loto fa ny olombelona sy ny ataony no mahatonga izany; rehefa mihena ny asa sy fivezivezena ataon’ny olombelona dia mihena ny lota ary miha madio ny tontolo iainana..tsy hoe hijanona any an-trano mandrakizay ka tsisy hiasa intsony fa misy lesona maro azo tsoahina amin’izao zava-mitranga izao mba hanitsiana ny tsy mety amin’ny sisa ho avy rehetra.

Tsirinasolo

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana