Dans la mme rubrique

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

10/08/2020

Namoaka fanambarana ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka fa maro ireo toeram-pitsaboina sy hopitaly tsy miankina milaza fa manao fitiliana momba ny valanaretina Covid 19.

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

10/08/2020

Olona 13 no lavon’ny coronavirus tao anatin’ny 48ora farany satria 6 ny sabotsy teo (03 Analamanga, 02 Vakinankaratra, 01 Matsiatra Ambony), ary 7 kosa omaly alahady (05 Analamanga, 01 Betsiboka, 01 Matsiatra Ambony).

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

10/08/2020

Tonga omaly 9 aogositra 2020 teny amin'ny seranam-piaramanidina Bani Ivato ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo "concentrateurs d'oxygène" sy ireo "lunettes nasales à oxygène".

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

Hamaky ny tohiny...

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

10/08/2020

Nitarina 15 andro ny fahamehana ara-pahasalamana. Ny Didim-panjakana laharana faha-2020-890 tamin’ny 08 aogositra 2020 no manambara

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

10/08/2020

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

Hamaky ny tohiny...

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

10/08/2020

Miisa 148 ny olona maty teto. Latsaky ny 1% ny olona maty, izay midika fa ambany ny taham-pahafatesana mitaha amin’ny firenena maneran-tany. Aty Afrika, dia 2% eo manerana an’i Afrika, raha toa ka 3,8% maneran-tany.

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tetikasa Miaro sy Mahalomba Ho fiarovana ny amin’ny faritra amin’ny Coronavirus

31/03/2020

Nahetsika avokoa ireo ekipa eto an-toerana misehatra amin’ny vonjy aina (ELS) mba ho fiarovana sy ho fiatrehana ny aretina Coronavirus.

 

 

 Ao anatin’ilay tetikasa Miaro sy Mahalomba izay vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola ary iarahana miombona antoka amin’ny Consortium HI sy ny CARE. Tanjona ny hanetsehana sy ny hanentanana ny rehetra amin’ny fandefasana ny hafatra ho fiarovana amin’ny fihanaky ny aretina. Misy araka izany ny fanofanana ireo mpikambana ao amin’ny ELS ireo any amin’ireo faritra hisan’ny tetikasa dia ny faritra Boeny, Betsiboka ary Diana. Ampitaina amin’ny alalan’ny fanofanana ny mahakasika ny aretina, ny fomba fifindrany, ny fisehony ary ireo tranga ahiahiana sy ireo olona mety ho mora tratran’ny aretina. Ankoatr’izany dia atoro azy ireo ihany koa ny fisorohana tokony hatao isan’andro indrindra ny torolalana mahakasika ny fanasana ny tanana. Aorian’ny fiofanana dia hisy ny fitetezan-trano araka izany ho fampiharana saingy kajiana hatrany ny fepetra tahaka ny tsy fifampikasohana sy ny fifanalavirana hatrany amin’ny 1 metatra. Hisy ihany koa ny afisy sy ireo taratasy kely fampahafantarana hapetaka sy ho zaraina eny amin’ny fokontany sy ny sekoly hiasan’ny tetikasa.

 Tsirinasolo

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana