Dans la mme rubrique

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Vita ny fitazonana 14 andro Hody amin’izay ireo tonga tamin’ny fiaramanidina

31/03/2020

Nisy ezaka natao tao anatin’ny fanaraha-maso ny mpandeha avy any ivelany. Maro ny manapitra ny fepetra ny fetr’andro 14 andro amin’izao fotoana izao.

 

Maro ny fitiliana natao, toy ny “test de diagnostique rapide” nafaran’ny fitondram-panjakana. Isaorana ny rehetra nanaiky. Nisy notsaboina teny Anosiala ary ny teny amin’ny Hopitaly manara-penitra. Nisy tranga iray izay sarotsarotra ihany fa efa voafehy ny fahasalamana. Eo anatrehan’ny fitomboan’ny isa, dia efa misy paikady vaovao hifehezana ny fipariahan’ny aretina. Mitohy foana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka, hoy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Ahmad Ahmad. Isaorana izy ireo tamin’ny fanampiana sy ny mbola ho fanampiana satria mbola lavidavitra ny asa atao. Nisaotra ny mpiasan’ny fahasalamana, ary efa mandinika ny momba anareo ny fitondram-panjakana, hoy ity Minisitra ity. Ho an’ireo olona vita “confinement”, izay misy ny mipetraka amin’ny hotely izay sarotra tokoa hoe ny vady aman-janaka eto kanefa ny tena tany amin’ny hotely dia nisaorany. Izay no hisaorana azy ireo izay nanaiky ny toromarika. Nisy ny 14 andro sy ny “test de diagnostique rapide”, ka vita izay dia homena ny “certificate d sortie” rehefa voamarina fa tomady sy tomombana ara-pahasalamana. Olona toy ny rehetra izy ireo, ary tsy tokony hahilikilika, ary tsy hoe mitondra ny coronavirus izy ireo, hoy ny minisitry ny fahasalamana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana