Dans la mme rubrique

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

30/09/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona tsy manao aron-tava intsony eny an-dalana eny.

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Antsirabe Mikatona ireo tsena lehibe anio

31/03/2020

Ho fiarovana ny amin’ny mety ho fiparitahan’ny tsimok’aretina “coronavirus” dia hitakona tanteraka ny tsena ao Sabotsy Antsirabe sy ao Antsenakely anio talata 31 martsa. Noho

 

 

 

 ny asa fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody hataon’ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana no anton’izany. Aorian’ny anio talata kosa dia tapak’andro ihany sisa no afaka mandray mpividy ny tsena tsirairay avy; arindra ihany koa ny lalana miditra sy mivoaka ny tsena. Avy any amin’ny vavahady atsimo sy avaratra ohatra no miditra ny rehetra raha tsy maintsy any amin’ny vavahady andrefana sy atsinanana kosa no mivoaka. Nampidirina ho ao anatin’ny vata fandrenesam-peo manatanteraka ilay fandaharana miara-manonja isan’andro ihany koa ireo vata fandrenesam-peo sy fahita lavitra any an-toerana hahafahana manaraka ny fivoaran’ilay aretina coronavirus izay mitady hahazo vahana eto amintsika. Tsiahivina moa fa noho ny fisian’ilay tera-tany vahiny iray nitondra ny tsimok’aretina coronavirus nandalo tany an-toerana no antony tsy maintsy handraisana izao fepetra izao ka ankoatra ny olon-tsotra dia voakasika avokoa ireo mpiasan’ny hôtely fandraisam-bahiny maro isan-tsokajiny. Mikasika ireo posy sy cyclo posy ary bajaj izay fitaovam-pitaterana hany sisa miasa any an-toerana dia fantatra fa tsy mahazo mitondra afa-tsy olona iray isanisany izy ireo sisa.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana