Dans la mme rubrique

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

30/09/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona tsy manao aron-tava intsony eny an-dalana eny.

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fikarohana ireo olona mila atao fitiliana Natsangana ny “Brigade d’Intevention Rapide”

31/03/2020

Ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fivoriana in-droa miantaona niarahana tamin’ny filohan’ny Repoblika,

 

 

dia nambara fa rehefa tonga ny “test rapide” avy amin’ny sinoa, dia haverina hatao fitiliana ny olona tonga teo anelanelan’ny 15-19 Martsa ary ny faharoa 11-14 martsa, hoy ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo. Ny minisiteran’ny Paositra no nanao ny fiantsoana tamin’ny alalan’ny “call center” ka tamin’izany no nivoahan’ny hoe ireto tsy tratra antso. Nasaina hiantso ny 914 ireo. Mety efa natao fitiliana tany aloha, fa haverina. Indraindray mety matanjaka ny hery fiarovana kanefa efa ao ilay aretina, ka izay no hamerenana ny fitiliana. Ny harivan’ny sabotsy dia efa tratra antso ireo olona nanaovana fiantsoana. Nampivory ireo minisitra ny Filoha sy ny Praiminisitra ny alahady hariva. Tapaka niaraka tamin’ny Minisitry ny fiarovana sy ny minisitry ny atitany, fa hapetraka ny Brigade d’Intervention Rapide izay hotarihin’ny Médecin militaire, izay kolonely ny Kolonely Ravoavy no mitantana azy. Nisy ny laharana 914 ho an’ireo avy any ivelany, na koa mahita hoe: aty aminay misy olona avy any ivelany tokony ho “confine”, kanefa tsy mihiboka akory. Napetraka nanomboka omaly alatsinainy io mba hamaliana haingana ny antso amin’ny 914 satria misy ny hoe: izahay miantso dia hoe handefasana olona, kanefa tsy misy tonga akory. Efa teny amin’ny “cantre d’appel” manao ireo asa vary mangatsiaka io Borigady io nanomboka omaly. Tonga dia raisina ho tranga maika na “cas urgent” ireny, ary omena fiara miaraka amina dokotera miaramila sy ekipana mpitsabo miara-miaramila izy ireo hahafaha-mandray andraikitra avy hatrany, raha vantany vao misy miantso. Efa em-pelantanana ny “cas urgent” sy “cas suspect” niainga avy amin’ny 914 dia ireo. 25 ireo efa am-pelantanan’io borigady io ankoatra ny vary mangatsiaka.

 Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana