Dans la mme rubrique

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ravalomanana sy ny TIM “Hanolo-tànana izahay, aleo mifampiresaka ”

31/03/2020

Nanolotra paik'ady hiadiana amin'ny areti-mandripaka Coronavirus ny antoko TIM ary miandry ny lamin'asa avy amin’ireo mpitondra ny Filoha teo aloha

 

 

Marc Ravalomanana sy ireo mpiara miasa aminy amin’izay fomba entina hiadiana miaraka amin'ny aretina, araka ny fanambarany teny Faravohitra omaly maraina. Tsara tsindriana etoana fa tsy nisy mihitsy fiantsoana ireo depiote TIM tamin’ny fandaminana sy fizarana izay natao isaky ny fokontany hatramin'izay ka hatramin'izao, hoy ny avy amin’ny TIM. Ary noho izany dia miandry ny fiantsoana mazava ataon'ireo solontena mpitantana isam-paritra amin’izay ho tohin'ny fandaminana izy ireo. Manoloana ny zava-misy, toy ny resaka haino aman-jery dia aza ampitahorina ny olona hoe handefasana “lettre de mise en demeure” ary aza darohana baomba lakrimozenina ny olona, fa aleo mifampiresaka, hoy I Marc Ravalomanana. Inona no atao raha tena hiara-hiasa?

Hanome fitaovana ny TIM

Ny olana dia asaina manao zavatra ilay olona, kanefa ilay zavatra hatao mety hisy olana. Raha ny eto Antananarivo izao, dia misy depiote TIM 6 ary misy tsy TIM 6. Misy ny efa nantsoina mialoha, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro. Hanome fampitaovana eny amin’ny fokontany ny TIM raha ny fanazavana. Noho ireo fitarainana maro voaray avy amin’ny vahoaka ihany koa dia: tokony tsy hisy ny fanilikilihana sy fanavakavahana amin’ny fanomezana ireo vary, menaka sy entana hafa ilaina ho an'ireo sahirana sy ireo zokiolona fa maro reo nilaza tsy nahazo sy tsy araky ny voalaza no azon'izy ireo. Tsy misy ny mangaraharaha amin’ny fitantanana ny vola hoe zaraina amin’ny mpamily sy ny maro hafa, sy ny fitaovana ka tokony ampahafantarina ny vahoaka mazava tsara. Mila ovaina ny fandaminana fa mikorontana hatrany an-tampony ary indrindra ny eny anivon'ny fokontany. Tokony atao maro ny “test rapide” zaraina atao isam- pokontany mba ahafantarana haingana sy hanasarahana ny salama sy ny marary izay tokony ho tsaboina. Fehiny, dia vonona hiara-hiasa ny TIM miaraka amin’ireo olom-boafidy hiadiana amin’ny coronavirus fa tsy maintsy asiana dinika sy lamina mialoha amin’ny zavatra tokony ho atao fa tsy afenimpenina izany satria tombotsoa ho an'ny vahoaka, raha ny fanehoan-kevitry ny olom-boafidy TIM.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana