Dans la mme rubrique

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

30/09/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona tsy manao aron-tava intsony eny an-dalana eny.

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mpitatitra teny amin’ny lapan’ny tanàna Tsy voahaja ny fepetra fisorohana ny Coronavirus

31/03/2020

Toy ireny nisy fampisehoana mpanakanto malaza ireny na kermesy rehefa fetim-pirenena nanoloana ny lapan’ny tanana Analakely omaly, rakotr’olombelona ny parvis.

 

 

 

Nihevitra koa ny mpitazana sy mpandalo sasany hoe : fángaha misy hetsika 13 mey indray ! Zavatra hafa mihitsy kay, fa hay fivorian’ny mpitatitra.Tsy voahaja ilay resaka 1 metatra anisan’ny fiarovana voalohany amin’ny Coronavirus.Ireo mpamily sy reseverana taxi be niampy mpamily taxi no nameno ny tokontanin’ny lapan’ny tanàna.Izay vao voaray ny hafatra ary tonga izy ireo satria maro no mbola tany ambanivohitra hoy ny fanazavan’ny avy ao amin-dry zareo mpitatitra.Tetsy ankilany kosa nanamarika ny tao amin’ny kaominina fa nisy mpitatitra nahazo SMS avy amin’ny olona tsy tokony hanao izany, tahaka ny mpanolotsain’ny tanàna iray izay sady mpitarika fikambanana Taxi ihany koa, ary dia tonga nirohotra tao ireo mpamily.Ny kaominin’Antananarivo renivohitra irery ihany no miantso sy mandefa ny hafatra fa tsy olon-kafa hoy ny fanamarihan’ny tompon’andraikitra.Ekena fa samy maika hamita ny asa sy hahazo fanampiana fa hita hoe mifanohitra amin’ny fanentanana ataon’ny fitondrana foibe ity nitranga tetsy amin’ny lapan’ny tanàna omaly ity fa sady namory olona an’arivony no mbola tsy nanaja ny fepetra faran’ny kely indrindra amin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny Coronavirus.

75% n’ny Koperativa

Ny 75 %-n’ny koperativam-pitaterana eto an-drenivohitra sy ny manodidina hatreto no fantatra fa efa nahavita nanatitra ny lisitr’ireo mpamily sy ny mpanampy azy mitatitra olona amin’ny alalan’ny taksibe. Ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra no nanaterana izany, ka ireto farany indray no manamarina ny lisitra tonga eo am-pelatanany no sady mizara ny fanampiana. Miisa 6.000 raha araka ny fantatra ireo fiara mpitatitra mivondrona ao amin’ny zotram-pitaterana eto Antananarivo renivohitra sy ny any ivelany amin’izao. Manodidina ny 12.000 isa kosa ireo mpamily sy mpanampy azy hisitraka ny fanampiana hahafahana miatrika izao fahamehana ara-pahasalamana miseho eto amin’ny firenena izao ka tsy hivoahana ny trano. Mikasika ireo koperativa ambiny moa dia fantatra fa efa eo am-pikarakarana izany izy ireo ankehitriny hanafainganana ny fanampiana omena ireo mpamily sy ny mpanampy azy. Raha tsiahivina dia vary 25 kg, miampy karazam-bokatra sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no zaraina amin’izany.

Pati

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana