Dans la mme rubrique

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

30/09/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona tsy manao aron-tava intsony eny an-dalana eny.

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus Nahitana marary i Toamasina sy Fianarantsoa

31/03/2020

Ny tatitra nataon’ny Pr Volontiana Hanta Marie Danielle omaly atoandro dia tsy niova ny isan’ny olona voa satria tsy mbola tsy nisy olona voatily.

 

 

 

Nijanona ho 43 ny olona voamarina fa voa ho an’ny atoandro. 32 tsy mitondra soritr’aretina, saingy arahi-maso noho ny fitondrana ny aretina. Ny 5 amin’ny 11, dia tsy dia atahorana: manavinavy, mangorangorana, mikohaka. Ny 6 sempotra, ary ny 1 dia mila oxygène. Voahara-maso ny toe-pahasalaman’izy 43, ary mahazo fanafody.. Mbola ao anaty fanaraha-maso izy ireo, fa rehefa tonga ny fotoana dia hotenenina hoe: firy ny sitrana, hoy io Profesora io. Nilaza kosa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hariva, fa nisy tranga vaovao niisa 3, izay nampitombo ny antontan’isa rehetra ho 46. Ny 2 dia tao Toamasina ka ny iray tamin’izy ireo nandeha tamin’ny sidin’ny MK 288, ary ny fahatelo dia tany Fianarantsoa, izay ramatoa 61 nandeha tamin’io sidina io ihany ny 19 martsa lasa teo. Taorian’ilay tranga tany Morondava izany, dia nisy tranga vaovao hita tany ivelan’Antananarivo, izay mampoitombo ny ahiahy hatrany, ka tokony hahamailo bebe kokoa.

 FEPETRA VAOVAO

Ny olona rehetra avy any ivelany dia voafehy. Mba hifehezana azy tanteraka, dia ireo rehetra tong any 11 martsa, izay mihoatra na nahafeno 15 andro dia atao “test rapide” avokoa, ary homena ny certificat maneho fa salama tsara avokoa koa. Izay nandeha tamin’ny sidina ny 11-12 martsa 2020 dia hatao fitiliana an-kalamanjana, dia mba mandeha fiara manokana eny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano, izay efa misy biologiste sy mpitsabo mpanampy eny, izay amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 4ora. Ny tonga tamin’’ny sidina ny 14-15 martsa dia eny amin’ny CCI Ivato. Ny ankoatra izay, dia ny 16-17 martsa dia tapitra anio ny 15 andro. Rahampitso 1 aprily dia mankeny amin’ny CCI Ivato avokoa izy ireo. Ho an’ny 18 martsa dia eny amin’ny Jumbo score amin’ny 2ora hatramin’ny 4ora tolakandro. Ny tamin’ny 19 martsa dia eny amin’ny CCI ny tontolo andro, izay be dia be ny sidina sy ny olona satria nihoatra ny 5000 ny olona tonga tamin’ireo sidina ireo. Eo amin’ny 40 moa ireo tamin’ny sidina voamarina fa nitondra ny COvid 19

 HAMPITOMBOINA NY TOERAM-PITILIANA

Nanaiky ny hanofana ireo biologiste Malagasy ny IPM, ka hosokafana rehefa vita ny fanofanana ary ampiana ny fampitaovana, ka hisokatra ny laboratoara 3 Malagasy hosahanin’ny Minisiteran’ny fahasalamana sy ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony. Tanjona ny 1000 ftiliana isan’andro raha 150 hatramin’ny 200 izao. Ampiasaina ny Centre d’infectionologie eny Ankatso. Laboratoara maro no hovelomina. Ny any Frantsa efa 5000 fitiliana ary hampiakarina ho 12 000 ary mety ho tonga 100 000. Ny hopitaly manara-penitra rehetra napetraka tamin’ny tetezamita izay hita izao fa tena ilaina, dia hatao andraisana fotsiny ireo araha-maso noho ny coronavirus, hoy i Andry Rajoelina.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana