Dans la męme rubrique

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

30/09/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona tsy manao aron-tava intsony eny an-dalana eny.

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

CORONAVIRUS MANERAN-TANY

31/03/2020

Maneran-tany 35 905 no maty, mafy ny ady any eoropa

 

 

 

 

 

Mitombo hatrany ny isa, izay manaporofo hatrany hatrany fa areti-mandringana ny coronavirus. Mahatratra 35 905 ny maty maneran-tany, ka ny 26 078 dia tany Eoropa avokoa. 740 000 ny olona voa maneran-tany, ka 408 203 dia any Eoropa avokoa. Any Etazonia sy Canada 150 000 izay manome 2635 ny maty any amin’ireo, 106 609 no voa any Azia ary 3827 ny isan’ny maty.

 

MPANJAKAN’I THAILANDE:

Mitoka-monina miaraka amina vehivavy 20

 

Raha toa ka napetraka any ThaÏlande ny hamehana noho ny coronavirus efa namono olona 7 sy namindra tamin’olona 1500, dia nifindra lasy mitoka-monina any Allemangne ny Mpanjaka Rama X, izay Maha Vajiralongkorn moa no tena anarany. Nalainy ho azy manokana hotely raitra iray lehibe ao amin’ny Station de ski de Garmisch-Partenkirchen any Bavière, ary misy vehivavy 20 miaraka aminy ao. Misy misitery hafahafa ao anatin’izao fitokana-monina izao, na eo aza ny vadin’ity mpanjaka ity, dia ny mpanjakavavy Suthida izany .

 

 

 

AFRIKA

150 ny fitambaran’ireo maty hatreto

 

Azo ambara ho tsy tena lasibatra ny Kaontinanta Afrikanina mitaha amin’ny Eoropa sy Etazonia ao anatin’ny Kaontinata Amerikanina. Hatramin’ny omaly dia 150 ny fitambaran’ireo rehetra maty taty Afrika. Miisa 4800 ny olona voa hatramin’izao. Ahiana anefa ny hipariahan’ny tsimok’aretina amin’ity herinandro ity, raha ny vinavinan’ny mpandinika. Ny toe-tany mafana izay tsy dia mety amin’ny coronavirus no heverina fa antony tsy hisian’ny maty betsaka aty Afrika.

 

 

 

Sahirana ny frantsay

Nihoatra ny 3000 ny maty

 

Nilaza ny governemanta Frantsay omaly fa 418 no maty teo anelanelan’ny alahady sy omaly alatsinainy, manome ny isa ho 3024. Mahatratra 21 000 ny olona nampidirina hopitaly, ka 5000 ao amin’ny sampana fameloman’aina. Ny Region-Ile-de-France sy ny Grand-Est no tena voa mafy. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny fahasalamana Frantsay Jérôme Salomon fa ny 34% amin’ireo ao amin’ny fameloman’aina dia latsaky ny 60 taona. 59% eo anelanelan’ny 60 hatramin’ny 80 taona, ary miisa 64 ireo olona latsaky ny 30 taona. 20 000 fitiliana isan’andro ny fitiliana ho vita amin’ny faran’ny herinandro, raha ny nambaran’io tompon’andraikitra io. I Frantsa dia nanafatra tampim-bava 100 000 any ho any avy any Chine.

 

 

 

ETAZONIA

Ahiana ho tonga hatrany amin’ny 200 000 no ho faty

 

Mihoatra ny 2000 ny maty any Etazonia amin’izao fotoana izao. Ity firenena ity no betsaka olona voa indrindra eto ambonin’ny tany ankehitriny. Manahy mafy ny olona akaiky ny Filoha Amerikanina Donald Trump, fa ho tafiakatra 100 000 hatramin’ny 200 000 no faty mandra-piafaran’ity areti-mandripaka ity. Manakaiky ny 150 000 ireo olona voa any Etazonia amin’izao fotoana izao.

 

ITALIA

812 indray no maty tao anatin’ny 24 ora

 

 Toa zary tsy vaovao intsony ny fandrenesana olona an-jatony maro maty isan’andro any Italia. Mbola lavitry ny kitay ny afo amin’ny hahafehezana ny Coronavirus. 812 no maty tao anatin’ny 24 ora monja, izay manome ny isa rehetra ho 11500. Na izany aza dia mba efa somary nisy fihenana ny taham-pitomboan’ireo voa izay 4% teo ho eo satria 8,3% izany efatra andro lasa izay, ary avo efatra tamin’izany tany amin’ny 15 andro lasa.

 

Sekretera Jeneralin’ny ONU

Ahiana ho ripaka ny afrikanina

 

Volabe 3000 miliara dolara no ilaina hifehezana an’io hoy ny sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana na ny ONU, Antonio Guterres. Raha nolazaintsika fa 150 no maty aty Afrika dia nambarany fa manahy ny hisian’ny fahafatesan’olona an-tapitrisany ity Tompon’andraikitra voalohan’ny ONU ity. Isan’ny adihevitra ihany koa amin’izao fotoana izao ny hoe: aty Afrika no hanaovana andrana voalohany amin’ny vaksiny. Any Eoropa anefa no tena be marary sy be maty ankehitriny

 

 

 

Nangonin’i Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana