Dans la mme rubrique

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

05/06/2020

Anisan’ny toerana ahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 any amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

05/06/2020

Nibahan-toerana mandritra ny tatitry ny misnitry ny fahsalamana manoloana ny solombavambahoaka ny momba ny aretina Covid-19. Nitondra fanazavana ny minisitry ny fahasalamana,Ahmad Ahmad, momba ny ezaka vita momba ny “coronavirus”.

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

Hamaky ny tohiny...

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

05/06/2020

Raha ny tarehimarika farany nivoaka tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray dia firenena miisa 5 no nahitana ny taham-pahasitranan'ny covid-19 tsara indrindra eto Afrika hatreto.

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

05/06/2020

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana Tchadien Mahamoud Youssouf Khayal omaly zoma 4 jona tao amin’ny fampahalalam-baovao Al Wihdad Info, fa olona 34 no notsaboin’izy ireo tamin’ny Covid Organics avy aty Madagasikara.

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

Hamaky ny tohiny...

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

Hamaky ny tohiny...

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fitsoahana Coronavirus Mandeha an-tongotra mody any Ambanivohitra

30/03/2020

Tena miantraika amin’ny isam-batan’olona tsy an-kanavaka ny raharaha coronavirus miteraka fanapahan-kevitra maro, toy ny tsy fahafahana mivoaka ny trano, tsy fahafahana miasa,…

 

 

Tsy ny mpamily taksibe, taxi, mpivaro-tena,… ihany fa tena samy mizaka ny vokany ny rehetra. Maro ireo vahoaka mitady làlana miala an’Antananarivo  renivohitra mandeha an-tongotra amin’iny làlam-pirenena RN 7 iny hody any ambanivohitra fa tsy afaka mivarotra sy miasa intsony. Misy tena hatrany Ambatolampy, Antsirabe,… Matory an-dalana ny sasany satria lavitra ny lalana ka tsy vita indray andro raha miaraka amin’ny zaza amam-behivavy sy ny entana. Misy ihany ny fiara eny an-dàlana eny indraindray mizara rano sy sakafo kely ho azy ireny, fa na izany aza tena mijaly. Miseho ihany koa ny tahaka izany any amin’iny lalàm-pirenena faharoa na ny RN2 iny. Any Ambanivohitra mba misy vokatra hohanina, hoy izy ireo.

Mila fitsinjaram-pahefana mahomby

Ny toe-javatra tahaka izao, dia azo handraisana lesona hatrany ho an’ny laharampahamehana ho an’ny firenena iray,satria tsy hiankin-doha amin’ny renivohitra na tanan-dehibe ny olona vao tokony hahita asa sy vola. Miharihary fa ilaina ny fampandrosoana isam-paritra miainga any amin’ny kaominina sy ny fokontany. Mila fanapariaham-pahefana nsy fanapariaham-pampandrosoana tena izy, mba tsy hihazakazaka hivangongo aty an-drenivohitra hatrany ny mponina. Mila hatao tonga eny ambanivohitra ny filàna sy fampandrosoana tadiavin’ny maro: fampianarana, fahasalamana, teknolojia, fandriampahalemana, ary indrindra ny fanatsarana sy tan-tsoroka amin’ny asa fihariana. Mila dinihina sy halalinina isaky ny faritra na toerana tsirairay hoe: inona ny loharanon-karena sy ny fihariana azo hampiroboroboana ao amin’ilay toerana mba ho lasa fanohitra lehibe mankany amin’ny fampandrosoana?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana