Dans la mme rubrique

RN 7 - Toliara Maty tao anaty fiara ilay vehivavy

06/07/2020

Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy fiara mitondra vehivavy marary mampiahiahy niainga teto Antananarivo nihazo an’i Toliara ny 3 jolay teo.

RN 7 - Toliara Maty tao anaty fiara ilay vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny PAC « Mila hazavaina amin’ ireo mpisehatra nasionaly rehetra”

06/07/2020

Ireo fiovana lehibe naroson' ny Antenimieram-pirenena dia ny fanesorana ny fandikan-dalàna ara-toekarena sy ara-bola izay eo ambanin` ny fiahian` ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC),

Lalàna mifehy ny PAC « Mila hazavaina amin’ ireo mpisehatra nasionaly rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana “ 31 185 no efa tratra, mbola hohenjanina ny sazy”

06/07/2020

Hampihatra ny lalàna ny zandarimaria, ny polisim-pirenena, ny tafika. Fitiavana sy fitsinjovana ny vahoaka Malagasy no tanjona ary mampalahelo ny tsy

Jeneraly Richard Ravalomanana “ 31 185 no efa tratra, mbola hohenjanina ny sazy”

Hamaky ny tohiny...

Masoivoho Frantsay Miato avokoa ireo asa eto Antananarivo

06/07/2020

Manoloana ny fepetra noraisin` ny fitondram-panjakana mahakasika ny fihibohana eto amin`ny faritra Analamanga, dia nanatanteraka fivoriana entina iatrehina izany (cellule de crise) ao amin’ny masoivoho frantsay.

Masoivoho Frantsay Miato avokoa ireo asa eto Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran` ny fiarovam-pirenena Novatsiana fitaovam-piarovana ny “Usine militaire”

06/07/2020

Ho fanohanana an` ireo toeram-pitsaboana sy ny toeram-piasan’ ny eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena (usine militaire) dia namatsy fitaovam-piarovana (EPI) izy ireo.

Minisiteran` ny fiarovam-pirenena Novatsiana fitaovam-piarovana ny “Usine militaire”

Hamaky ny tohiny...

Faritra arovana Menabe Antimena Velarana ala 56 ha no kila may nisy nandoro

06/07/2020

Velarana ala 56 ha ao amin’ny Faritra arovana Menabe Antimena no kila hotohoton’ny afo, herinandro lasa izay, ka ny 8 ha tamin'izany dia vao nambolena zanakazo ny volana febroary sy martsa 2020 lasa teo.

Faritra arovana Menabe Antimena Velarana ala 56 ha no kila may nisy nandoro

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Ho tapaka ny jiro amina toerana maro

03/07/2020

Ao anatin’ny fanatsarana famatsiana angovo ao Antsirabe dia nojerena hatry ny omaly ny hahafahan’ny orinasa Jirama manatontosa izany.

Antsirabe Ho tapaka ny jiro amina toerana maro

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

30/03/2020

Azo tsaboina tsara ny Coronavirus ka tsy tokony hampatahotra, fa ny fiparitahany be no manahirana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo.

 

 

 

Azo atokisana tanteraka ny valim-pitiliana azo eto amin'ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM), hoy izy satria manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ary mamoaka sy mampita izany ara-potoana izy ireo. Nohamarinin'izy ireo fa azo antoka ihany koa ireo antontan'isa ofisialy avoaky ny fitondram-panjakana . Mankasitraka azy ireo amin'ny ezaka sy fandavan-tena asehony amin'izao ady atrehina izao, hoy hatrany ny Filoha izay nitsidika sy natao fitiliana teny amin’ny IPM ny sabotsy teo, ka “negatif” ny valiny, salama tsara izany ny filoha; na izany aza tsy maintsy mbola hamerina fitiliana aho hoy izy.Tsy maintsy nanao fitiliana aho, mba hisindan’ny ahiahy hoy ny filoham-pirenena ary manentana ireo olona tokony hanao izany mba tsy hisalasala na ho menatra fa adidy amin’ny fiarovana ny mpiara-monina sy ny tanindrazana izany.

150 ka hatramin’ny 200 isan’andro

Sarotra ny fitiliana eny amin’ny laboratara, rehefa tonga ny “prélèvement”  tsy hoe tonga dia ampidirina ao anaty laboratoara dia vita ny asa. Misy dingan’asa tsy maintsy andalovana, toy ny famonoana virus, izay vao miditra any amin’ny fitiliana. 150 hatramin’ny 200 raha be indrindra isan’andro no vita etsy amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) raha ny fanazavan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Homena fiofanana ny bilogiste Malagasy mba afaka hanao ny fitiliana ihany koa hoy ny teniny. Saropady io, fa rehefa mahavita fiofanana ireo dia mety hahavita 800 isan’andro isika, hoy hatrany izy . Na mbola tsy marary sy mampiseho tsy fahatomombanana aza, dia tonga dia hita. Ny “test rapide” indray dia efa marary ao anatin’ny fikotrehan’ny aretina 7 hatramin’ny 14 andro. Ho an’ireo olona ahitana soritr’aretina: mikoha-maina, miakatra ny maripana,… dia afaka mankany amin’ny hopitaly hatao “test rapide”. Raha ny zava-misy ivelan’Antananarivo, dia “negatif” avokoa, izany hoe tsy voan’ny Coronavirus ny an’ireo olona avy any ivelany natao fitiliana tany Mahajanga. Tsy misy olona mitondra ny covid 19 ireo avy any ivelany ka mipetraka any an-toerana, hoy i Andry Rajoelina. Mbola haverina hatao test ihany anefa ireny. Ny any Toamasina, Toliara, Fianarantsoa, Antsiranana, dia efa any amin’ny IPM ny “test” rehetra, ary anio no ho azo ny valiny. Misy tranga iray any Morondava. Efa noraisina an-tànana ilay ramatoa ity, ary efa tsaboina tsara.

Azo tsaboina, Azo itokisana

 

Toky R sy Marigny A

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana