Dans la mme rubrique

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

05/06/2020

Anisan’ny toerana ahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 any amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

05/06/2020

Nibahan-toerana mandritra ny tatitry ny misnitry ny fahsalamana manoloana ny solombavambahoaka ny momba ny aretina Covid-19. Nitondra fanazavana ny minisitry ny fahasalamana,Ahmad Ahmad, momba ny ezaka vita momba ny “coronavirus”.

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

Hamaky ny tohiny...

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

05/06/2020

Raha ny tarehimarika farany nivoaka tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray dia firenena miisa 5 no nahitana ny taham-pahasitranan'ny covid-19 tsara indrindra eto Afrika hatreto.

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

05/06/2020

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana Tchadien Mahamoud Youssouf Khayal omaly zoma 4 jona tao amin’ny fampahalalam-baovao Al Wihdad Info, fa olona 34 no notsaboin’izy ireo tamin’ny Covid Organics avy aty Madagasikara.

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

Hamaky ny tohiny...

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

Hamaky ny tohiny...

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

43 voan’ny Coronavirus Miharatsy ny toe-draharaha, hitombo ny fepetra…

30/03/2020

Ny sabotsy teo dia nilaza ny Filoham-pirenena fa misy tranga 11 vaovao, ary omaly dia nisy olona 6 vaovao indray ihany koa voaporofo fa mitondra ny

 

 

 

otrik’aretina, ka lasa 43 izany no voa hatramin’ny alahady 29 martsa tamin’ny 12 ora atoandro. Tsy mbola fantatra ny momba ireo 6 farany. Tsy nisy soritr’aretina kosa izy ireo. Amin’ireo 43 dia tsy misy soritr’aretina ny 33; Ny 10 no misy ary ny 7 dia soritr’aretina tsy dia atahorana: koha-maina, marary, manakotsako,… ireo 3 kosa dia sempotra sy sarotsarotra, fa efa mahazo fanafody avokoa izy ireo, hoy ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny CCO COvid-19 Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Ny atoandro sy ny hariva ny Institut Pasteur de Madagascar na ny IPM no manome valin’ny fitiliana ataony. Ny tranga vaovao 11 tamin’ny asabotsy teo no betsaka indrindra hatramin’ny nanaovana fitiliana, araka ny fanambaran’ny Filoham-pirenena. Ny tombony ho antsika, dia fantatra ireo mpandeha avy any ivelany mety hitondra ny covid 19, fa tsy tahaka ny any ivelany. Ny natao fitiliana, dia ireo tsy ahitana soritr’aretina. Olona salama daholo ireo efa notiliana mba hisorohana azy, fa ny any ivelany efa marary vao tonga any amin’ny hopitaly. Ny mampanahy dia ny “cas contact” izay olona monina sy nipetraka teto Madagasikara no voa. Raha nijanona teo amin’ireo avy any ivelany, dia afaka nanome toky 100% ny vahoaka aho hoe voafehintsika tanteraka io, hoy i Andry Rajoelina toa somary kivikivy. Io no manahirana ka tsy maintsy hitombo kokoa ny fepetra, raha ny fanambarana.

 Mpizahatany marary efa nitety toerana maro

Talohan’ny nanatsaharana ny sidina dia nisy mpizaha tany tonga, ary namindra tamin’ny olona nifanerasera taminy. Nifindrany ny mpamily, ny mpisera-dia,…. Tonga teto ny zoma 13 martsa, ary nody haingana tamin’ny 19 martsa io vazahan io. Izany hoe talohan’io dia efa narary. Nipetraka tao amin’ny Hotely Les Trois Métis teo Antaninandro. Nandeha tany Behenjy nisakafo tao amin’ny Le Coin du Fois Gras izay raha ny fanazavan’ity toeram-pisakafoanana ity tao amin’ny tambajotran-tserasera dia vazaha nanao andiany fa tsy hoe iray. Tany Antsirabe tao amin’ny Hotel Palm, Royal Palace, Tsenan’i Sabotsy,… Rendez-vous des chasseurs Ambatolampy, Betafo, Air France Zone Zital Ankorondrano, Restaurant Combava Route Digue, tany amin’ny Vakôna Lodge Andasibe, Hotel Chez Luc Andasibe, Restaurant diamant Moramanga,…Nandalo tany Ambatomanga, Gallery Lisy Antanimora, La Haute Ville Antananarivo,…. Tsy maintsy hojerena avokoa ireo toerana ireo. Ny zava-misy, dia vokatry ny fifampikasohana. Mila mitombo ny fepetra rehetra, ary tsy maintsy jerena ny nifampikasoka tamin’ilay vazaha efa any an-dafy, izay efa marary mafy amin’izao. Hananosarotra kely ny hijerena an’izay kanefa tsy maintsy hataontsika, hoy ny Filoha. Ny faharoa, dia nisy tokantrano nampiantrano mpifankatia teratany vahiny sy Malagasy, ary efa narary vao nankany amin’ny toeram-pitsaboana.

HITOMBO NY FEPETRA HORAISINA…

 Mihasarotra ny toe-draharaha raha dinihina amin’ny zava-misy satria any Toamasina dia olona 80 no atao fitiliana, any Vakinanka¬ratra olona 28 araha-maso akaiky. Mila miomana isika amin’ny herinandro, hoy ny Filoha. Ilay “cas contact” io no tena loza. Raha niala io vazaha ion y 19 martsa dia hatramin’ny androany nahitana ireo “cas contact” ireo. Mety efa namindra ireo olona roa voa. Tokony tsy hivoaka ny trano ny ankamaroan’ny olona. Izay mihitsy no nanononako ireo toerana. Tena loza, ary ny olantsika dia efa narary ireo olona ireo vao nanantona ny toeram-pitsaboana. Izany no miseho any Italie, Frantsa izay tsy fantatra mihitsy ilay aretina hoe taiza avy fa efa marary vao mitombo mitombo hatrany. Karohina avokoa ny làlana nalehany, hoy I Andry Rajoelina. Manoloana ny zava-misy sy ny fivoaran’ny toe-draharaha no hakana ny fepetra. Mety hitombo ny fepetra, ary misy ny soso-kevitra samihafa, toy ny fandrosoana ny fikatonan’ny tsena amin’ny 10 ora maraina. Miankina amin’ny toe-draharaha ny fanapahan-kevitra horaisina, hiarahana amin’ny Governemanta manontolo, ny fahasalamana, ny mpitandro filaminana,… Mifampidinika andro aman’alina hijerena ny fepetra horaisina. Mbola eo amin’ny “stade 1” isika ary mbola tsy mihoatra ny 200 ny voa, mbola tsy mihoatra ny 50 ny olona maty, ka isian’ny fihibohana manokana. Manomboka tamin’ity “cas contact” ity kosa dia hampiova ny fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina, izay mbola hodinihina. Olona iray tokony hiantsena ihany no miantsena fa tsy ny rehetra. Aleo misoroka toy izay mitsabo, fa iray ihany ny fanafody hatreto dia ny tsy fivoahana ny trano. Raha tsy mahay mifehy tena isika, dia ho sarotra io, hoy ny filoham-pirenena. Tombanan’ny maro fa hohalavaina ny fepetra tsy fahafahana mivoaka ny trano.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana