Dans la męme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

CORONAVIRUS MANERAN-TANY

27/03/2020

FRANTSA Voan’ny Coronavirus i Julien Lepers

 

 

 

 

 

Ny 24 martsa 2020 no nanambaran’i Julien Lepers, tamin’ny tambazotran-tserasera Twitter, fa eo ho eo ihany ny fahasalamany ary reradreraka ny vatany noho ny coronavirus, nahazo azy efa sivy andro taorian’ny fanentanana lanonana nataony. Teratany frantsay, mpanentana fandaharana kolontsaina malaza « Question pour un Champion » amin’ny televiziona i Julien Lepers. Mpiahy ny hetsika « Festival des Baleines » mpiseho isan-taona ao Sainte-Marie Madagasikara ihany ko izy. 70 taona ny lehilahy ankehitriny.

 

 

ETAZONIA

Ho lasa ivon’ny valanaretina ihany koa

 

 Tafiakatra 1000 mahery ny olona maty ho an’i Etazonia. Ny 1/3 amin’ireo maty dia tao amin’ny fanjakan’i New York, ary efa nisy ny fanairana nataon’ny Governora amin’ny tsy ho fahampian’ny fandriana sy ny fitaovana manampy amin’ny fisefoana. Mahatratra 70 000 ireo trangan’aretina efa voamarina, ary efa nilaza ny OMS ny talata lasa teo, fa mety ho lasa ivon’ny coronavirus nihany koa ny ao Etazonia. Ny antsasamanila eo amin’ireo fanjakana 50 any Etazonia dia nanapa-kevitra ny tsy fahafahana mivoaka ny trano tanteraka mba hifehezana ny fipariahan’ny coronavirus, saingy ny Filoha Donald Trump kosa naneho ny finiavany hanokatra izany ho an’ny toekarena noho ny fetin’ny paska ny 12 aprily izao. Neken’ny loholona Amerikanina moa ny drafi-panarenana hanokanana vola 2000 miliara dolara any Etazonia.

 

MATY ANY ESPAGNE

Voadingana ny isa 4000

 

Nihoaran’i Espagne omaly ny isa 4000 mahery amin’ny olona maty, izay mametraka ity firenena ity ho isan’ny be maty indrindra aorian’I Italie. 655 no maty tao anatin’ny 24 ora. Mitana ny lohalaharana amin’ny habetsahan’ny maty ny ao amin’ny tananan’i Madrid, izay efa nahatratra 2090, arahin’i Catalogne amin’ny isa 672. Mahatratra 56 188 kosa ny trangan’aretina voamarina, izay nisy fiakarana 19% nandritra ny alarobia sy omaly alakamisy.

 

IRAN

157 no maty tao anatin’ny iray andro

 

Firenena voasokajy tao anatin’ny 3 voalohany tamin’ny tahan’ny fahafatesana I Iran tany aloha, saingy nihoaran’i Italie sy Espagne. Na izany aza dia mbola voasokajy ho ao anatin’ny firenena tena voakasika sy be maty indrindra. Manodidina ny 2300 ny olona maty tany an-toerana, ka ny 157 tamin’ireo dia tao anatin’ny 24ora monja. Niampy 2 389 ireo olona voa ka manome ny antontan’isa manontolo ho 29 406.

 

 MPANJAKA SAODIANINA

 Nanao antso avo ho an’ny G20

 

 Nanao antso avo mahomby sy voarindra avy amin’ny firenena mpikambana ao anatin’ny G20 sokajiana ho matanjaka sy mamiratra ara-toekarana ny Mpanjaka Saodianina Salmane Ben Addelaziz Al Saoud, mba hiatrehana ity areti-mandripaka ity, nandritra ny fihaonana tamin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia fa tsy nivantana nataon’ireo firenena 20 matanjaka indrindra ara-toekarena maneran-tany. Adidintsika ny mandray an-tànana ireo firenena “en developpement” dia ireo firenena sokajiana ho sahirana sy mahantra moa, mba hihoarany krizy sy olana goavana io, hoy izy. Ity mpanjakan’i Arabie Saoudite ity moa amin’izao fotoana izao no mitarika ny G20.

Nangonin’I Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana