Dans la mme rubrique

TOAMASINA Nitokona indray ireo mpitondra tuk tuk

06/04/2020

Nitokona fanindroany nidina an-dalam-be indray ireo mpitondra “tuk tuk” miisa 1911 ao Toamasina ny sabotsy teo.

TOAMASINA Nitokona indray ireo mpitondra tuk tuk

Hamaky ny tohiny...

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

04/04/2020

Sady mahatsikaiky sy mahonena no mampanahy ihany koa ny zava-mitranga ao anatin’izao atao hoe fihibohana amin’ny ampahany na “confinement partiel”

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

Hamaky ny tohiny...

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

04/04/2020

Tena marobe ireo olona manararaotra izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao.

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

Hamaky ny tohiny...

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

04/04/2020

Noho ny fidangan’ny vidim-bary eny an-tsena dia lasa manenjika ireo vary mora tonga eny amin’ny Fokontany avokoa ny ankamaroan’ny olona.

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

04/04/2020

Namoaka fanambarana ireo fikambanan’ny Banky mivondrona ao anatin’ny APB (Association Professionnelle des Banques)

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

04/04/2020

Betsaka ireo olona tonga manolotra izay foiny hanampiana ny mpiara-belona marefo na marary eto amin’ny firenena amin’izao fotoana hiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus eto amintsika izao.

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

Hamaky ny tohiny...

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

04/04/2020

Misy ny ivontoerana Connecteo izay natokan’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana (MICA) handraisana ny laharana maintso 812 iantsoan’ny mpanjifa.

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Tohana ara-tsosialy Hizara vola 10 miliara ariary ny fanjakana

25/03/2020

Na dia nitombo roa aza, dia azo ambara hoe vaovao tsara. Avo roa heny ny natao fitiliana omaly mitaha amin’ny andro teo alohany. Nihena ny fitomboana raha ny tarehimarika no jerena? Hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ireo avy any an-dafy no atoka-monina. Mbola ampahany na “partiel” ny fitokana-monina satria ao anaty “stade 1”. Mbola misy ny orinasa tsy miankina miasa.

Raha sanatria misy faritra hafa ahitana tranga, dia tsy afaka ny hivoaka ny olona.Fotoanan’ny fifampitsinjovana sy ny fifanampiana eny amin’ireny orinasa tsy miankina ireny. Ny fifamezivezena diso tafahoatra no ferana. Maro ny orinasa afakaba manana kaomandy any amin’ny firenen-kafa. Mba tsy hisian’ny fatiantoka be dia mbola azo atao amin’izao fotoana mbola Stade 1 izao. Tsy ekena ny fandroahana tsy ara-drariny ny mpiasa. Ho an’ny orinasa misy mpiasa 2000 any ny mpiasa, dia hitsidika any ny tompon’andraikitra, ary tsy maintsy hapetraka ny fepetra amin’ny fiarovana ireo mpiasa.

 FIAHIANA NY MAREFO ARA-PIVELOMANA

 Izay hahasoa ny besinimaro no atao. Tsapako ny fitarainan’ny olona, ary izao akory tsy manao bemarenina. Mijery izay hahafahana mifanome tànana. Nivory niaraka tamin’ny Praiminisitra sy ny Filohan’ny CCO Covid 19, ka nametraka ny “plan d’urgence social” hanampiana ireo fianankaviana sahirana ny fanjakana. Hanampy ireo fianakaviana tratran’izay fanapahan-kevitra izay miaraka amin’ny fianankaviana sahirana. Hisy fanampiana ara-tsakafo: hovatsiana ara-tsakafo: vary, voamaina, menaka, sirampamy, savony, koba aina, haterina ho an’ny ankizy manomboka alakamisy. Hotsinjovina ny mpitondra fiarakaretsaka rehetra, mpitondra taksibe sy ny resevera, mpanasa lamba, mpivarotra amoron-dàlana, mpivarotra gazety, mpivaro-tena satria tratry ny “couvre feu” dia tsy miasa ihgany koa izy ireo. Efa nampiantso ny ben’ny tanàna, lehiben’ny distrika, misy fikambanana,… Efa fantatra ny isan’ny taxi sy taksibe. Tsy adino ny zokiolona, izay homena tombony manokana toy ny sardine,… Eo ihany koa ny 4’mi. Mijery izay hanampiana an’Antananarivo sy Toamasina. Hanararaotra hanamboatra sy hanampina ny làlana simba.

10 MILIARA ARIARY HO TOHANA ARA-TSOSIALY

 Hisy ny tohana ara-tsosialy 10 miliara ariary hozaraina ho an’ireo olona tratry ny fahavoazana ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao. Iaraha-miasa amin’ny FID izy io, ary fiaraha-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Hozaraina manomboka amin’ny herinandro ny vola. Ohatra, ny mpamily taksi dia homena 100 000Ariary avokoa, ny mpamily taksibe, ny resevera… Efa betsaka ny sedra nolalovantsika, ary tsy ampahafirin’ny loza sy krizy nolalovantsika, hoy  ny filoha Rajoelina.

HETRA, VIDIN-JIRO

Amin’ity volana ity na koa mbola miitatra arakaraka izay zava-miseho, tsy misy mandoa faktiora ny olona, fa hamboarina ny fomba handoavana izany na hozaraina 5 na 10. Tsy misy fandoavana amin’ity, tsy misy fanapahana. Amin’ny volana manaraka ny fandoavana ny volan’ny banky ho an’ireo nindram-bola. Ho an’ny CNaPS sy OSTIE, dia hapetraka ny “mésure fiscale” mba tsy hisian’ny “chômage technique” ary ho resahan’ny filoham-pirenena misimisy kokoa anio indray ny momban’izay.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana