Dans la mme rubrique

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

07/04/2020

Miady amin’ny zavatra tsy fantatra sy tsy nampoizina, izay mila fahakingana. Tsy sanatriavin’ny vava mitady toerana sy mitady fahefana aho, fa te hanampy, te hizara traikefa, hoy i Marc Ravalomanana omaly tamina fandaharana manokana.

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

Hamaky ny tohiny...

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

06/04/2020

Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

Hamaky ny tohiny...

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

06/04/2020

Ny sabotsy lasa teo no nandray ireo filoham-piangonana eo anivon` ny FFKM, sy ireo filohanà andrim-panjakana,

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

06/04/2020

Fanalam-baraka, manosika ny olona tsy hitia ny filoham-pirenena no ambara fa vesatra hanenjehana an-dRahelisoa,

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...


Politique

AREMA Niova endrika !

23/03/2020

Tontosa soa ny zoma 20 martsa 2020 lasa teo ny Kongresy Nasionaly ny Antoko AREMA tao amin’ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy, izay nandraisan’ireo mpikatroka manerana ny Nosy anjara. Solontena telo isaky ny distrika no nandrafitra ny lisitry ny mpizaika tamin’izany.

 

 

Ankoatry ny fankalazana ny faha-44 taona ny vaninandro izay nijoroan’ny Antoko AREMA (19 martsa 1976 – 19 martsa 2020) dia lahadinika maromaro no notapahina. Nisy ny fanovàna vitsivitsy noho ny fanavaozana ny sata sy ny fitsipika anatiny: niova ny sary famantarana ny Antoko AREMA ka naverina mitovy tamin’ny voalohany niforonan’ny antoko; novaina ihany koa ny fanalavana ny anaran’ny antoko ka lasa hoe Antoko REvôlisionera MAlagasy no hiantsoana ny AREMA manomboka izao raha Avant-garde de la Révolution Malgache izany teo aloha. Nisy rafitra nofoanana (Kolejy Nasionaly) sy vaovao noforonina (Komity ny Olon- kendry) ary nitarina hatrany amin’ny Faritra (Komity Mpitantana Nasionaly isaky ny Faritra). Raha ny fandaharam-potoana dia tokony tao amin’ny Hôtely Carlton Anosy ny sabotsy lasa teo  ny famaranana ny Kôngresy Nasionaly ity miaraka amin’ny fankalazana ny tsingerin-taonan`ny antoko. Saingy vokatry ny fanambarana izay nataon’Andriamatoa Filoham-pirenena ny alin’ny Zoma 20 martsa 2020 izay mandrara ny fivorivoriana, fepetra noraisina amin’ny fihanaky ny valanaretina COVID- 19 dia voatery hahemotra amin’ny fotoana manaraka aloha izany.

 

Marigny A. sy Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana