Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Elia Rabevahiny - Otrikafo « Ny frantsay no nanapoaka ny 29 martsa 1947»

20/03/2020

Isan’ny antoko politika vitsy mba tsy hilazana hoe tokana mahatsiaro hatrany isan-taona ny 29 martsa 1947 ny antoko Otrikafo, hoy ny sekretera jeneraliny, Elia Rabevahiny.

 

 

 

Antony dia adidin’ny antoko politika sy fikambanana rehetra ny mampahafantatra ny tantara amin’ny vahoaka. Isan’ny lesoka eto amintsika koa io tsy fahalalana ny tantara io. isan’ny mbola manjavozavo ny raharaha 1947. Ny mpikaroka sy mpahay tantara rehetra dia mahalala tsara fa tsy ny MDRM no nanomana ny 29 martsa 1947 fa ny frantsay no nanao ny fomba rehetra hitrangan’iny hamotehana ny MDRM sy handripahana ny Malagasy rehetra. Voaporofo izany ny taona 1946 izay nisian’ilay telegrama nalefan’ny minisitra frantsay, Marius Moutet, tamin’izany fotoana ho an’ny governora jeneraly tetsy Ambohitsorohitra milaza hoe “Abattre le MDRM par tout les moyens”. Izany hoe nitolona tamim-pilaminana ny MDRM ary tsapan’ny frantsay fa sarotra ny hanohitra izany. Raha tiana ny hampandroso ity firenena ity, hoy ny otrikafo, dia isan’ny singa iray goavana hahatongavana amin’izany ny fampahafantarana sy fanitsiana ny tantara. Anio zoma etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely moa no hanasan’izy ireo izay liana amin’ny fanazavana fanampiny rehetra.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana