Dans la mme rubrique

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

03/04/2020

Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara. Sahirana amin` ny ateraky ny fepetra tsy maintsy hajaina ho fisorohana sy ho fisakanana ny tsy hiparitahan` ny valan`aretina “coronavirus”.

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

03/04/2020

Maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna amin` izao fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amintsika izao. “Maninona ny olona no tsy manaraka ny

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

Hamaky ny tohiny...

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

03/04/2020

Feno omaly maraina ny fepetra maha-rivodoza ireo tangoron-drahona any amin’ny faritra avaratry ny nosy iny.

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

02/04/2020

Tsy mety ilay mampiasa ity fanomezana ity ho an’ny fomba amam-panao politika tsy madio. Mila manaraka tsara ny fepetra napetraky ny fanjakana,

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

Hamaky ny tohiny...

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

02/04/2020

Sokajin’olona miisa 14 eo no nambaran’ny fanjakana fa hotolorana tohana ara-tsosialy manokana, ka isan’izany ny mpamily sy resevera ho an’ny taksibe,

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny serasera Haino aman-jery Radio katolika iray norahonana hakatona

02/04/2020

Nahazo fandrahonana avy amin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Talem-paritry ny serasera sy ny Kolontsaina any Vatovavy Fitovinany ny Radio Katolika Mazava Atsinana na ny Radio Rakama.

Tontolon’ny serasera Haino aman-jery Radio katolika iray norahonana hakatona

Hamaky ny tohiny...

CNARP Tohanana ara-pitaovana mba hamokatra fanafody betsaka kokoa

02/04/2020

Misy ireo fanafody novokarin’ny Cnarp ( Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques) manasitrana ny sotrir’aretina mifanakaiky

CNARP Tohanana ara-pitaovana mba hamokatra fanafody betsaka kokoa

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety “Vonona hiady hevitra amin’ny minisitra izahay”

20/03/2020

Nanao fanambarana ny avy amin’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara na ny OJM omaly. Mamaly ny resaka aely milaza fa sakana amin’ny famoahana “carte professionnelle des journalistes”

 

 na karatra maha mpanao gazety matihanina ny Biraon’ny OJM, ary ny filazana fa ataon’ny mpanao politika fitaovana mikendry ny fanesorana ny Minisitry ny serasera  sy ny kolontsaina amin’ny toerany izy io. Namaly bontana ny Biraon’ny OJM, ka milaza fa tsy manao politika ary tsy miditra amin’ny politika ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, ka mandà marindrano fa ataon’ny mpanao politika fitaovana. Raha misy porofo mivaingana ananan’ireo miteny izany dia mangataka azy ireo ny Biraon’ny OJM hampiseho izany ho hitan’ny daholobe, hoy valin-kafatra. Ny fanajana ny  “Arrêté 24 931/2019 MCC ralatif à la Commission Paritaire au sein d’Ordre des Journalistes de Madagascar » no takian’ny Biraon’ny holafitra amin’ny minisitera misahana ny serasera, raha hiditra amin’ny fizarana ny karatra maha matihanina. Raha toa ka hohitsakitsahina io lalàna io, izay navoakan’ny ekipa fehezin’ny minisitra ankehitriny, dia tsy afaka ny hiray petsapetsa amin’izany ny biraon’ny holafitra mijoro ankehitriny, hoy izy ireo.

Valin-kafatra

Nahitsy ny Biraon’ny OJM, nilaza fa raha ilaina ny mitondra fanazavana anatina adihevitra amin’ny haino aman-jery momba ny fanitsakitsahan’ny minisitera io lalàna io, dia vonona izy ireo. Mangataka kosa mba ho ny minisitry ny serasera sy ny Tale Jeneralin’ny serasera mivantana no hiaraka hiresaka amin’ny Filohan’ny holafitra sy ny mpikambana iray ao amin’ny Birao. Na tsy notononina mivantana aza io, dia toa mamaly  an’Atoa Andry Andriantongarivo vadin’ny Minisitry ny serasera nilaza tamin’ny tambajotran-tserasera : « rehefa nantsoin’ny namana AR ny filoha efa lany mandat an’ny OJM Rakotonirina Gérard hanao don-dresaka amin’ny depiote Fetra Rakotondrasoa amin’ny alahady ho avy izao dia nandà ary tsy sahy. Fa nahoana loatra ? Rehefa monologue hamorona lainga izany dia mahay fa rehefa tena adihevitra « contradictoire » dia mifori-drambo ve ? ». Ny Biraon’ny holafitra dia vonona hitondra fanazavana ho an’ireo mangataka izany. Tsy misy zavatra hafenina izahay ary ny fanajana ny lalàna ihany no zavatra tokana takianay amin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, hoy ny Biraon’ny OJM. Mafana ity raharaha ity, ary vaky tanteraka ny ady. Tantara mitohy…

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana