Dans la mme rubrique

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

03/04/2020

Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara. Sahirana amin` ny ateraky ny fepetra tsy maintsy hajaina ho fisorohana sy ho fisakanana ny tsy hiparitahan` ny valan`aretina “coronavirus”.

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

03/04/2020

Maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna amin` izao fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amintsika izao. “Maninona ny olona no tsy manaraka ny

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

Hamaky ny tohiny...

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

03/04/2020

Feno omaly maraina ny fepetra maha-rivodoza ireo tangoron-drahona any amin’ny faritra avaratry ny nosy iny.

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

02/04/2020

Tsy mety ilay mampiasa ity fanomezana ity ho an’ny fomba amam-panao politika tsy madio. Mila manaraka tsara ny fepetra napetraky ny fanjakana,

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

Hamaky ny tohiny...

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

02/04/2020

Sokajin’olona miisa 14 eo no nambaran’ny fanjakana fa hotolorana tohana ara-tsosialy manokana, ka isan’izany ny mpamily sy resevera ho an’ny taksibe,

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny serasera Haino aman-jery Radio katolika iray norahonana hakatona

02/04/2020

Nahazo fandrahonana avy amin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Talem-paritry ny serasera sy ny Kolontsaina any Vatovavy Fitovinany ny Radio Katolika Mazava Atsinana na ny Radio Rakama.

Tontolon’ny serasera Haino aman-jery Radio katolika iray norahonana hakatona

Hamaky ny tohiny...

CNARP Tohanana ara-pitaovana mba hamokatra fanafody betsaka kokoa

02/04/2020

Misy ireo fanafody novokarin’ny Cnarp ( Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques) manasitrana ny sotrir’aretina mifanakaiky

CNARP Tohanana ara-pitaovana mba hamokatra fanafody betsaka kokoa

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Sinoa 38 tonga omaly Averina any Addis Abeba indray

20/03/2020

Raha efa naaton’ny fanjakana hatry ny ela ny sidina mivantana mampifandray amin’i Chine, dia mbola nisy Sinoa 38 tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato tonga tamin’ny sidin’ny Ethiopian Airlines omaly.

 

 

Heverina ho mpanamboatra ny kianja Barea etsy Mahamasina hanampy ireo efa eto izy ireo. Mihorohoro hatrany ny vahoaka noho i Chine loharano nipoiran’ny Coronavirus. Na efa somary voafehy aza ny coronavirus any Chine, dia izy ireo hatrany no mitana laharana be indrindra amin’ny olona maty, izay efa 3130, arahin’i Italie akaiky izay 2978 sahady hatramin’ny omaly.

Atao ahoana marina ?

Atoka-monina na atao “mise en quarantaine” ve ireo sinoa ireo? Azo antoka ve ny fahasalamany ? Raha tsia dia efa nifanosina tamina olona sy mpandeha hafa maro. Etsy ankilany, niparitaka tamin` ny tambajotra serasera tao anaty andro vitsivitsy lasa izay ny filazana fa mitondra tsimokaretina “coronavirus” ireo mpiasa sinoa miisa 17 mirahalahy handray anjara amin` ny fanatanterahana ny fanamboarana ny kianjan` ny BAREA etsy Mahamasina hatrany. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nanaraka ny fepetra napetrakin` ny fitondrana malagasy ireo sinoa hanampy isa ireo ary efa am-perinasa hanafaingana ny asa etsy amin` ny kianjan`i Mahamasina, raha ny fanazavana. Natoka-monina nandritra 14 andro izy ary efa tsy misy ahiana intsony fahasalaman` izy ireo taorian` ny fanaraha-maso ny tsirairay, raha ny fanomezan-toky. Nambara mantsy fa misy mpitsabo manara-maso isan’andro avy amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana. Arahin’ny governemanta sinoa maso amin’ny alalan’ny “puce” amin’ny finday, ary nahazo alalana avy any vao afaka tonga teto Madagasikara. Vaovao tsy mitombina no naely entina handemena ny sain` ny olom-pirenena ny filazana fa mitondra ny tsimikaretina COVID-19, hoy ny tompon’andraikitry ny orinasa China State Construction Overseas Development (CSCOD). Nanamafy moa ny manam-pahefana Malagasy fa tsy ahitana trangana Coronavirus ireo sinoa etsy Mahamasina ary tomombana ara-pahasalamana izy ireo, ary antonony tsara ny maripanan’ireo sinoa 17, hoy ny fanazavana.

Haverina any amin’ny niaingany

Halina ihany dia nitety haino aman-jery sy nampita vaovao ny talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga ary nanambara fa averina any Addis Abeba izay toerana niangany sy nahatongavany teto Madagasikara ireo Sinoa miisa 38; izany no natao dia mba hampisinda ny ahiahy hoe sao dia ireto Sinoa vao tonga ireto sanatria no hampiditra ny Coronavirus eto Madagasikara.Tsy izahay mpitondra fanjakana mihitsy no hampidi-doza ny firenena hoy i Rinah Rakotomanga ka izay no nahatonga io fanapahan-kevitra io.Tsapa amin’ny zava-mitranga fa miasa ao anatin’ny fikoropahana ny fitondram-panjakana ary misafotofoto be ihany ny fomba fanapahan-kevitra.

Marigny A. sy Toky R 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana