Dans la mme rubrique

NICOLAS DUPUIS Mianatra voambolana malagasy 10 isan'andro

31/03/2020

Famakiam-boky sy fianarana manokana ny teny Malagasy no anisany andanian'ilay mpanazatra ny BAREA, Nicolas Dupuis, andro amin'ny fiatrehana ny fihibohana an-trano na "confinement" ankehitriny.

NICOLAS DUPUIS Mianatra voambolana malagasy 10 isan'andro

Hamaky ny tohiny...

Fanamiana vaovaon’ny Barea Tsy mifanara-tsaina sahady ireo komity

31/03/2020

Variana amin’ny fiparitahan’ny Coronavirus izao tontolo izao sy isika malagasy fa ny eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra koa amin’izao fotoana izao dia efa tonga amin’ilay hira hoe “mandeha ny mandeha”

Fanamiana vaovaon’ny Barea Tsy mifanara-tsaina sahady ireo komity

Hamaky ny tohiny...

Neymar JR Miatrika ny fihibohana any Brezila

31/03/2020

Noho ny fepetra manokana noraisin'ny fitondrana Frantsay mikasika ny ady amin'ny coronavirus dia nanapa-kevitra ny nody any Brezila i Neymar Jr

Neymar JR Miatrika ny fihibohana any Brezila

Hamaky ny tohiny...

Tenisy Roland Garros Nahemotra amin'ny septambra 2020

31/03/2020

Notapahin'ny FFT "Federasion'ny Tenisy Frantsay" tarihan'ny filohany, Bernard Giudicelli, fa amin'ny 20 septambra ka hatramin'ny 4 oktobra 2020 no

Tenisy Roland Garros Nahemotra amin'ny septambra 2020

Hamaky ny tohiny...

Parfait Rakotonindriana “Sahirana ny mpanao haiady ankehitriny”

30/03/2020

Tena sahirana tahaka ireo namana hafa any ivelany izahay mpanao haiady malagasy hoy i Parfait Rakotonindriana ilay malagasy tompondaka eran-tany in-droa tamin'ny savate boxe française

Parfait Rakotonindriana “Sahirana ny mpanao haiady ankehitriny”

Hamaky ny tohiny...

Michel Hidalgo Tsy Coronavirus no nahafaty azy

30/03/2020

Nambaran'ny olona akaiky azy fa tsy matin'ny Coronavirus izany ilay mpanazatra ny telosoratra frantsay fahiny fa aretina hafa efa nandazo azy elaela ihany no

Michel Hidalgo Tsy Coronavirus no nahafaty azy

Hamaky ny tohiny...

Lalao olimpika 2020 Nanaiky ny fanemorana ny COI

26/03/2020

Noho ny fangatahan'i Japon tokony handray ny lalao olimpika 2020 hanemorana izany hetsika izany amin'ny taona 2021 dia nanaiky izany ny COI "Komity olimpika iraisam-pirenena".

Lalao olimpika 2020 Nanaiky ny fanemorana ny COI

Hamaky ny tohiny...


Sport

Orange Pro-League Malagasy Nankasitraka ny mpanao gazety ara-panatanjahantena Malagasy

19/03/2020

Tamin’ny fitafatafana fohy tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny “Tour Orange” teny Ankorondrano omaly alarobia 18 martsa 2020 nifanaovan’ireo

 

 

 

tompon’andraitry ny CFEM (ny filohany sy ny sekretera jeneraliny) niaraka tamin’ny solontenan’ny Orange Madagascar no nilazan’Atoa Arno Steenkist sy Atoa Rakotoharimalala Mirado fa ny nanampy betsaka tamin’ny fahombiazan’ny fifaninanana hatrany am-piandohany ka mandrak’izao ny tohana nomen’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena Malagasyazy ireo. Nahafa-po ihany koa, hoy i Rtoa Anuouk Bertucat ny fanasongadinan’ny mpanao gazety azy ireo taorianan’ny nidiran’ny Orange ho mpanohana ofisialy ny hetsika. Hasain’ny Orange Pro-League manokana araka izany ny mpanao gazety ara-panatanjahantena Malagasy hiara-misalahy amin’izy ireo hiaraka hifidy an’ireo mpilalao mendrika isan-tsokajiny ka ho tolorana loka manokana miaraka amin’ireo ekipa mendrika ihany koa amin’ny “Soirée Awards” ho karakaraina any amin’ny volana jolay 2020 any ho famaranana ofisialy an’ity andiany voalohany amin’ny Orange Pro-League Malagasy ity. Nambaran’ny CFEM “Association des Clubs de Football Elites de Madagascar” koa tetsy an-kilan’izay fa amin’izao fanombohan’ny  famaramparanana ny fifaninanana efa miditra amin’ny andro faha-16 izao dia mitombo an-dalana ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka amin’ny hetsika fa nanampy azy ireo koa ankehitriny ny Flexknit sy Canal Plus Madagascar ary ny Sport 261. Nomarihan-dry zareo koa fa amin’ny fiafaran’ny andro faha-22 famaranana ny fifaninanana dia izay ekipa mitana ny laharana voalohany raikitra no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny baolina kitra 2019/2020 ka hisolontena an’i Madagasikara any amin’ny fifaninanana Ligue des champions Afrikanina ho karakarain’ny CAF. Ny ekipa mitana ny laharana farany kosa dia ho soloin’ny ekipa tompondakan’ny”tournoi D-2” karakarain’ny FMF ary ny mpilalao faha-11 mialohan’ny farany dia hanao lalao “barrage” amin’ny ekipa faha-2 amin’ny “tournoi D-2 FMF”. Farany mikasika ny lalao andro faha-16 ho tontosaina amin’ny faran’ny herinandro izao dia hafindra eny amin’ny kianjan’i Carion ireo lalao tokony ho tontosaina eny amin’ny Complexe Sportif Vontovorona noho ity farany hilain’ny fanjakana amin’ny resaka “coronavirus”. Sisan’izay tsy misy fiovana izay voalazan’ny fandaharana efa voarafitra.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana