Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanatontosana ny praograman’ny fitondrana Lojika raha somary takona

19/03/2020

Lojika raha somary takona ny fanatontosana ny praograman’ny fitondram-panjakana na IEM amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Emergence Madagascar,

 

 

 

 Hanitra Rafara, manoloana ny fipariahan’ity Coronavirus ity. Ny fahasalamam-bahoaka aloha no laharam-pahamehana ary tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa koa izany, hoy izy. Io no hahafahana manandratra ny vahoaka hanalana azy anaty fahantrana. Tsy hoe tsy mandeha ny tetikasa hafa fa na izahay aza izao dia mijery ny any ifotony izay tolotra na « proposition » hisorohana izay mahaory ny vahoaka. Maro ny fotodrafitrasa efa tafatsangana tao anatin’ny herintaona na dia tsy neken’ny sasany aza ny Tanà masoandro ho atao, hoy izy. Mandeha aminay ny Emergence de Madagascar. Ny anjaranay tamin’io, hoy hatrany ny tenany, dia nametraka ny petra-kevitra tokony hitondrana ny fanatanterahana ny tetikasa na « conception » ary niainga tany ifotony ny fanadihadiana nataonay. Raha ny mikasika ny vokatra azo tsapain-tanana momba ny atao hoe « émergence » dia ny aty aminay no andeha ho resahako, hoy izy. Marobe ny vahoaka madinika efa nametraka tetikasa. Tena mitsangana matanjaka ny mpandraharaha malagasy mitambatra hanao tolo-tanana ireny fotodrafitrasa madinika ireny. Afa-po izahay, hoy hatrany ity sekretera jeneraly ity, ary mila tsaroana fa tsy vitan’ny filoham-pirenena irery ny fanatontosana ny IEM.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana