Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tsaho amin’ny facebook Manomboka ny fisamborana

19/03/2020

Voasambotry ny polisim-pirenena ilay tovolahy antsoina hoe Ramanantena Cressant, mipetraka any Ambodimanga Ambalamanasy Andapa, nanely vaovao

 

 

tsy marina momba ny Coronavirus tao amin'ny facebook ka nampisahotaka ny olona tany an-toerana. Tandremo fa efa tonga ao Antananarivo ny Coronavirus, izay aretina mandringana ny maro, ka manao “prevention” “citron sans sucre/jour, misasa tànana sy vava orona amin’ny savony, miezaka tsy mifanoroka,… hoy ny hafatra naparitany. Tsy niandry ela ny fanjakana, fa nikaroka sy nisambotra avy hatrany mazava ho azy. Ny Lehiben’ny mpitandro filaminanana rahateo efa nanao fampitandremana mafy. Ny zava-misy hita miharihary amin’izao fotoana izao, dia zary ampiasaina hifamotehana sy hifanaratsiana ny facebook. Na ny ao anaty fanjakana aza somary tsikaritra, fa misy ny olona ambony toa mampiasa olona hanao izany hiarovana seza na fahefana. Ao ny manenjika sy manaratsy mpanao politika,… Efa mihatra ny lalàna momba ny heloka amin’ny internet sy ny tambajotran-tserasera na ny “cybercriminalité”, dia ny lalàna n°2014-006 tamin’ny 17 jolay 2014. Toa mbola maro anefa no tsy mahalala na tsy te hahalala. Mifangaro ny resaka fahalalahana sy fandikan-dalàna, hany ka toa samy manao izay saim-patany eto.

Toky R 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana