Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Siosion-dresaka momba ny Coronavirus Nisavorovoro ny tao Tsiroanomandidy

19/03/2020

Tena zava-doza ny mety ho vokatry ny tsaho.Nikorapaka izay tsy izy ny olona tao an-tampon-tanĂ na Tsiroanomandidy omaly maraina noho ny resaka Coronavirus.

 

 

Ny vaovao tonga any am-potsotsofin’ny olona araka ny resaka nifanaovana an-telefaonina tamin’ny mponina any an-toerana dia hoe efa misy olona 2 matin’ny Coronavirus, hono ao Antananarivo ao.Mazava ho azy fa olona mety nahita resaka tao anaty facebook no nanao telefaonina vava  tany an-toerana ka lasa niparitaka be ilay resaka.Efa raikitra ny hoe ndao alaina daholo ny vola any amin’ny banky, amboary ny entana dia ndao hiala ny tanàna fa ho any ambanivohitra.Rehefa samy nieritreritra tao anaty savorovoro teo moa dia nandray telefaonina ka niantso ny fianakaviana na olom-pantatra monina eto Antananarivo, teo koa ny niantso mpanao gazety.Teo vao nanomboka nazava hoe tsy mbola misy Coronavirus eto Madagasikara araka ny fanambarana vao nataon’ny filoham-pirenena ny talata hariva ; ary tsy misy izany olona matin’ny Coronavirus izany eto Antananarivo.Tahaka an’izay ihany moa ilay tsaho nisy nanely fa hoe efa ao Nosy Be Hell Ville ity valan’aretina ity.Mbola nanamafy omaly ny tompon’andraikitra fa tsy misy Coronavirus eto Madagasikara hatrero aloha, ary tokony hitandrina amin’ny zavatra tenenina sy resahana fa henjehan’ny lalàna ny fanaparitahana vaovao diso sy ny fampisavorovoroana saim-bahoaka.

RTT 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana