Dans la mme rubrique

Asa voafetra, vola miditra manify Mitaraina ny mponina etsy La Reunion kely

31/03/2020

Mijaly ny mponina eny amin` ny La Réunion kely amin` izao fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto Antananarivo izao.

Asa voafetra, vola miditra manify Mitaraina ny mponina etsy La Reunion kely

Hamaky ny tohiny...

Tanàn-dehibe eto Madagasikara Tena azo diovina sy halamina ihany kay

31/03/2020

Tena azo alamina, diovina tsara ihany kay Antananarivo, ary tsy izy irery fa ireo tanàna hafa rehetra eto Madagasikara fa mila hentitra ny mpitantana sy ny mpitondra ary tena ambenana mihitsy ny olona.

Tanàn-dehibe eto Madagasikara Tena azo diovina sy halamina ihany kay

Hamaky ny tohiny...

Ankazomanga Tsy coronavirus fa aretim-bavony no nahafaty ilay tovolahy

31/03/2020

Tovolahy nitsirara teo amin’ny arabe no nitangoronan’ny olona teny Ankazomanga omaly maraina.

Ankazomanga Tsy coronavirus fa aretim-bavony no nahafaty ilay tovolahy

Hamaky ny tohiny...

Fampiroboroboana ny maha-olona Nahazo 100 tapitrisa dolara i Madagasikara

31/03/2020

Nekena tany Washingtown tamin’ny 26 martsa lasa teo ny fampindramam-bola ho tohana ho an’ny fotodrafitr’olona (capital humain) eto Madagasikara.

Fampiroboroboana ny maha-olona Nahazo 100 tapitrisa dolara i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Sekoly tsy miankina Mila jeren’ny fanjakana manokana

31/03/2020

Ankehitriny dia mandalo ady sarotra ihany koa ny eo anivon` ny sekoly tsy miankina.

Sekoly tsy miankina Mila jeren’ny fanjakana manokana

Hamaky ny tohiny...

Polisim-pirenena Tsy sasatra manentana ny vahoaka

31/03/2020

Tsy sasatra ny polisim-pirenena manentana ny momba ireo mpivarotra sakafo, fanafody, mpivarotra mpambongady sy enta-madinika mikasika ny ora hahafahan’izy ireny misokatra ho an’ny mpanjifa.

Polisim-pirenena Tsy sasatra manentana ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Tratra ireo nivarotra vary lafobe

30/03/2020

Hentitra ny fanaraha-maso ireo mpivarotra manararaotra mampiakatra ny vidim-bary sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ao amin’ny kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo.

Kaominina Ivato Tratra ireo nivarotra vary lafobe

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fanararaotana vidim-bary Trano fivarotana 3 nakatona

19/03/2020

Nidina tampoka nijery ifotony ireo vidin’entana eny an-tsena na nanao ilay antsoina ilay antsoina hoe “visite inopinée” ireo minisitera miisa 03 (Minisiteran’ny varotra,

 

 

Minisiteran’ny filaminam-bahoaka ary ny Sekretera Jeneraly miadidy ny Zandarimariam-pirenena manoloana ireo mpivarotra sasantsasany manararaotra mampiakatra ny vidin’entana. Izao no natao dia ny mba hitsinjovana ny vahoaka Malagasy ary hiarovana azy ireo amin'ny fanararotana maro samihafa ataon'ny mpivarotra sasantsasany mampiaka-bidy sy mampirina ireo entana madinika ilaina amin'ny fiainana andavan'andro, hoy ny fanazavana. Ny mpitandro ny filaminana dia manentana ireo vahoaka mba hiantso azy ireo raha toa ka mahita mpivarotra mampiakatra ny vidin'entana tsy amin'ny rariny fa handray fepetra avy hatrany izy ireo. Toerana maromaro malaza ratsy amin’ny fampiakarana vidin’entana no notsidihin’izy sy nisantanarana ny hetsika omaly, tahaka ny tsenan’Anosibe, Soamanatombo sy Namontana ka  mpivarotra telo 3 no tsy maintsy nakatona avy hatrany noho ny tsy fanarahan-dalana.

Tsy maintsy 1800 ariary ny kilao

Mikasika ny vidim-bary manokana moa dia nofaritan’ny Ministera fa tsy maintsy  mijanona ho 1800 Ar ihany ny kilao, fanapahan-kevitra tapaka nandritra  filankevitry ny ministra farany teo ihany koa. Hisy arak’izany ny sazy henjana omena ireo  mpivarotra mbola  minia manararaotra ihany, indrindra ao anatin’izao fotoana efa manahirana ny vahoaka Malagasy izao. Misy mihitsy ny laharana maitso hahafahan’ny vahoaka manao fitarainana eo anatrehan’ny fanararaotana mihoampampana, dia ny 034 30 812 84.

 

Toky R sy Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana