Dans la mme rubrique

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Hilda Rasinjo “Nampiseho ny fetrany ny CENI”

19/03/2020

“Taorian` ireny fanambarana nataon` ny CENI momba ireo anarana miverina in-droa dia nihozongozona ny fahamarinan-toeran` ny mpitondra amin` izao.

 

 

 

Efa ambany ny tahan` ny fandraisana anjara tamin` ny fifidianana kanefa dia mbola nisy ireny fanambarana ireny indray” hoy Hilda Rasinjo, mpanolontsainan` ny tanàna voafidy tamin`ny vondrona politika KOMBA. Mazava ho azy, mila jerena raha nifidy daholo ireo “doublon” iray tapitrisa  mahery ireo. Aorian` izay kosa vao afaka mampiseho ny fisian` ny hala-bato goavana. Tsy mila hiverenena, hoy izy, ny hoe “miala ny filoha” satria efa nekena ny vokam-pifidianana. Raha ny fijeriny hatrany dia nampiseho ny fetrany ny CENI satria ity vaomieram-pirenena ity no nanambara fa talohan`ny 2018 no niseho ireny lisitra ireny kanefa tsy nisy fanavaozana natao. Inona marina no ilàna ny CENI? hoy ihany izy. Tsy hanan`ny fitondrana fahefana ny fikarakarana fifidianana ary tsy misy tomponandraikitra intsony ny fifidianana. Tsy misy azo hitenenana intsony amin`ny tsy fetezana. Matoa napetraka ireny rantsana izay lazaina mahaleotena ireny dia ny mba hisian`ny tsara tantana eo anivon` ny sehatra iray izay tiana apetraka. Nahoana ny fanjakana no tsy afaka miantoka fifidianana tsara tantana? Tsara kokoa raha ny fanjakana no misahana ny valiny farany. Antony, misy tompon’andraikitra rehefa misy tsy fahatomombanana toy ny famoahana CIN na koa andraikitry ny sefom-pokontany… Niainantsika ny vokatry ny tsy fahatomombanana  ka manana efa taona hanomanana fifidianana filoham-pirenena isika ahafana mandinika sy mijery ireo fomba hanarenana ny lisi-pifidianana sy hamerenana ny fahatokisan` ny olona ao anatin` izany, hoy hatrany ny fanazavany.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana