Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fahatsiarovana ny 29 martsa 1947 Hisy fampirantiana an-tsary sy an-tsoratra ny tantaram-pirenena

18/03/2020

Feno 73 taona amin’ny 29 martsa ho avy izao ny fahatsiarovana ny nisian’ny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947 teto amin’ny firenentsika ka

 

nanoloran’ireo Ray aman-dReny tany aloha ny ainy ho fanavotana ny firenena tsy ho lasa babo teo am-pelatanan’ireo mpanjanaka. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena. Hisy mantsy ny hetsika izay karakarain’izy ireo ka ireo tanora mpianatra ankehitriny izay ho avin’ny ampitso no omen’izy ireo tombony amin’izany manokana. Ho an’ny omaly talata 17 martsa ohatra  dia tetsy amin’ny LTC Ampefiloha no nisantarana izany. Fampirantiana an-tsary sy an-tsoratra ny tantaram-pirenena ho fampahafantarana ny taranaka sy ny mpianatra izay fanilon’ny fitiavan-tanindrazana no tanjona ka tsy ho very maina ny tolona nataon’ireo mpiady tia  Tanindrazana. Hitohy ao amin’ny LMA Ampefiloha izany anio alarobia raha any  amin’ny Lisea Ambohimanarina indray rahampitso alakamisy 19 Martsa. Hifarana ny zoma 20 martsa ho avy izao kosa ny hetsika ao amin’ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo. Samy manomboka amin’ny 09 ora maraina avokoa izany, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 05 ora hariva. Tolom-panafahana 1947, ilo tsy very enti-mampandroso ny firenena no loha-hevitra entina manatanteraka izany.

 

 

Pati



 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana