Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fisorohana ny fiparitahan’ny « coronavirus » Malagasy 1 amin’ny 4 no afaka manasa tanana ara-dalàna

18/03/2020

Olona 1 amin’ny 4 ihany eto amintsika no manana fitaovana ahafahana misasa tanana amin’ny rano sy ny savony, araka ny antontan’isa MICS nivoaka farany. Eran-tany kosa dia ny 40%-n’ny mponina, izany hoe : olona manodidina ny 3 miliara, no tsy manana izany fitaovana izany.

 

 

 

Ny iray ampahatelon’ny sekoly maneran-tany no tsy manana toerana azon’ny mpianatra hanasana tanana, ary mety ho ny antsasaky ny sekoly mihitsy aza izany, any amin’ny firenena tena mahantra, toa antsika. Na ny toeram-pitsaboana koa aza dia voakasik’izany tsy fisiana na tsy fahampian’ny fotodrafitrasa fidiovana izany. Mitaha amin’ny 16% izany, amin’ny ankapobeny, maneran-tany. Ao anatin’izao vanim-potoana mampihotakotaka, vokatry ny fiparitahan’ny otrikaretina « coronavirus » izao anefa, dia vao mainka tena zava-dehibe sy manan-danaja ny fanasana tanana amin’ny rano sy ny savony. Io mantsy no fomba tsotra indrindra sy tsy mandany vola indrindra azo atao, hisorohana ny fiparitahan’ity valanaretina ity. « Tsy vahaolana mahagaga akory izany, hoy Atoa Sanjay Wijesekera, Tale eo anivon’ny UNICEF, misahana ny momba ny rano, ny fahadiovana sy ny fidiovana, saingy ilaina ny mampahafantatra ny besinimaro mikasika an’ireo fepetra azony raisina, hiarovany tena sy hiarovany ny fianakaviany ». Ny mponina an-tanàn-dehibe moa no azo lazaina ho marefo indrindra, manoloana ny « coronavirus », noho ny habetsaky ny fivezivezen’ny olona sy ny fifampikasohana. Antony ilàna matetika ny fanasan-tanana izany, mialohan’ny sakafo, rehefa avy any amin’ny toeram-pivoahana, rehefa avy nikasika fitaovana iraisan’ny besinimaro ary rehefa avy nandeha fiara fitateram-bahoaka.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana