Dans la męme rubrique

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

04/04/2020

Sady mahatsikaiky sy mahonena no mampanahy ihany koa ny zava-mitranga ao anatin’izao atao hoe fihibohana amin’ny ampahany na “confinement partiel”

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

Hamaky ny tohiny...

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

04/04/2020

Tena marobe ireo olona manararaotra izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao.

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

Hamaky ny tohiny...

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

04/04/2020

Noho ny fidangan’ny vidim-bary eny an-tsena dia lasa manenjika ireo vary mora tonga eny amin’ny Fokontany avokoa ny ankamaroan’ny olona.

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

04/04/2020

Namoaka fanambarana ireo fikambanan’ny Banky mivondrona ao anatin’ny APB (Association Professionnelle des Banques)

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

04/04/2020

Betsaka ireo olona tonga manolotra izay foiny hanampiana ny mpiara-belona marefo na marary eto amin’ny firenena amin’izao fotoana hiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus eto amintsika izao.

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

Hamaky ny tohiny...

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

04/04/2020

Misy ny ivontoerana Connecteo izay natokan’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana (MICA) handraisana ny laharana maintso 812 iantsoan’ny mpanjifa.

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

03/04/2020

Tsy manana fiara fitaterana ny ankamaroan’ireo orinasa afaka haba eto amintsika. Mandeha taxi-be avokoa ny mpiasa ao aminy izay tena nahatsiaro

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Vidim-bary eny an-tsena 200 Ar isaky ny kg ny fiakarany, ny fanararaotana no betsaka

18/03/2020

Tena mampitaraina ny isan-tokantrano ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena, indrindra nanomboka tamin’ity herinandro ity.

 

 

 

Mahatratra 200 Ar isaky ny kilao mantsy izany ka raha ho an’ny vary gasy ohatra dia lasa 2100 Ar ny vidin’ny iray kilao ankehitriny raha 1900 Ar teo aloha.Tafakatra 2200 Ar  kosa ny iray kilao amin’ny  vary makalioka, raha 2000 Ar teo aloha. Eo amin’ny 50 Ar isaky ny kapoaka kosa ny fiakarana raha mividy amin’ny kapoaka. Ho an’ny makalioka ohatra dia lasa 660 Ar izany raha 610 Ar teo aloha…. Ankoatra ny vary dia nahitana fiakarany ihany koa ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny menaka,  ny siramamy, ny savony… Raha ny araka ny fanadihadiana natao dia vokatry ny haratsian’ny lalana nateraky ny ranon’orana no nahatonga izany fiakarana izany efa ho iray volana izao hoy ny mpambongady iray etsy Anosibe. Na izany aza anefa dia misy ihany koa ny fanararaotana hataon’ireto farany sy ny mpaninjara, indrindra nanomboka ny Alatsinainy teo noho ny fisian’ilay aretina Covid-19 izay efa mananontanona an’i Madagasikara.  Tsy vitsy tamin’ireo mpanam-bola mantsy no efa nanararaotra nividy vary… sao sanatria tsy misy tampoka izany ka nanararaotra nampiakatra ny vidin’entana ny sasany. Ho an’ireo tsy mba manan-kividianana hangonina kosa fa miantehitra amin’izay hita isan’andro dia nambaran’ireo mpivarotra fa nihena ny vary vidian’izy ireo. Raha dimy kapoaka ohatra no fividin’ny tokantrano iray teo aloha dia nihena ho efatra kapoaka izany sisa  noho ny fiakaran’ny vidiny.

Pati

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana