Dans la mme rubrique

Fiangonana Loterana Malagasy Hamatsy fiarovana sy fanampin-tsakafo

04/04/2020

Nanao fanambarana tetsy amin’ny foiben’ny sampana Loterana misahana ny fahasalamana na SALFA Andohalo omaly ny avy eo anivon’ny Fiangonana

Fiangonana Loterana Malagasy Hamatsy fiarovana sy fanampin-tsakafo

Hamaky ny tohiny...

FFKM Miantso fibebaham-pirenena

30/03/2020

Omaly alahady 29 martsa dia nisy fanompoam-pivavahana notarihin'ny fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara na ny FFKM tao amin` ny fiangonana EEM Ambohimanoro.

FFKM Miantso fibebaham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny FJKM Miantso ny vahoaka hivavaka isan’ora

28/03/2020

Manoloana izao areti-mandringana tafiditra eto anivon’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara izao dia manao antso avo amin’ny vahoaka malagasy rehetra,

Filohan’ny FJKM Miantso ny vahoaka hivavaka isan’ora

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera “Mila miverina amin’Andriamanitra isika.”

27/03/2020

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena izay iombonany amin’izao tontolo izao dia namoaka fanambarana ny avy eo anivon’ny fikambanana zon’olombelona mampandroso vahoaka sy ny fikambanana zon’olombelona mijoro,

Chandoutis Raoera “Mila miverina amin’Andriamanitra isika.”

Hamaky ny tohiny...

ONG Fanahy maha olona Hikarakara fotoam-pivavahana iraisam-pinoana

20/03/2020

Ny sabotsy 21 martsa izao dia hisy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izay ho karakarain’ny ONG Fanahy maha olona etsy Antsahamanitra manoloana ny fiparitahan’ny areti-mandringana Coronavirus eto ambonin’ny tany.

ONG Fanahy maha olona Hikarakara fotoam-pivavahana iraisam-pinoana

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny FJKM Miantso ny rehetra hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra

20/03/2020

Mitombo hatrany ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny areti-mandoza Coronavirus maneran-tany, antony mampikorontana izao tontolo izao.

Filohan’ny FJKM Miantso ny rehetra hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra

Hamaky ny tohiny...

Finoana eto Madagasikara Miha mahazo vahana ny fivavahana Silamo

09/03/2020

Araka ny resaka nifanaovan’ny Mgr Georges Varkey Puthiyakulangara, Eveka ao Port Bergé, ao avaratr’i Madagasikara,

Finoana eto Madagasikara Miha mahazo vahana ny fivavahana Silamo

Hamaky ny tohiny...


Finoana

Fivondronamben’ny Eveka Miantso ny rehetra ho tony sy hivavaka

18/03/2020

Efa manodidina an’i Madagasikara ny areti-mifindra Coronavirus (Covid 19) ankehitriny, hoy ny fanambarana avy amin’ny biraon’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara (FEM) omaly. Miantso antsika rehetra hiombom-bavaka amin’ny Papa François ho an’ireo firenena tratran’izany,

 

 

 

hoy ny fanambarana; ary i Jesoa Kristy Tompo nibaby ny rofintsika rehetra ka nandresy ny ratsy tamin’izy nitsangan-ko velona, anie hanome hery ireo marary sy ireo mpitsabo, ary ny fianakaviany. Ary ankinintsika amin’ilay Ray be famindrampo ny fanahin’ireo havantsika namoy ny ainy. Miantso ny rehetra ho tony ny FEM  ary hanaraka ireo toromarika marina rehetra momba ny fihetsika, omen’ireo tompon’andraikitra sy manam-pahefana amin’ny alalan’ny haino aman-jery, eny fa na dia ny tsotra indrindra tokony harahina andavanandro aza hiarovana ny fihanak’ity aretina .Manasa any rehetra hifampilaza ny tokony hatao na any amin’ny toeram-pitsaboana na any am-piangonana na any am-pianarana na eny an-dàlana, ihany koa ny fivondronamben’ny Eveka no sady mankahery ireo dokotera sy ny mpiasan’ny fahasalamana hanana ny herim-pon’ny aleoko maty mba handresena ny aretina fa tsy hanary na handositra ny marary. Aoka isika ho sahy hifanampy, hifampiaro, fa indrindra hiaro ireo efa manana aretina mitaiza na ireo mahantra tsy manana fiarovana, hoy hatrany ny fanambarana. Niantefana antso manokana ny Eveka, ny pretra, ny relijiozy sy ny mpikatroka rehetra amin’ny sehatra pastoraly katôlika tsy hatahotra fa hanaiky hanatona sy hikarakara amim-pitandremana ireo marary ary hiara-miasa amin’ireo hôpitaly rehetra hiara-hanohitra ny aretina. Manasa  ny rehetra ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka mba hiombona ka hanao vavaka hasivianandro manomboka ny 19 martsa Fankalazana manetriketrika an’i Masindahy Josefa mpiaro ny Fianakaviana Masina sy izao tontolo izao ka hifarana amin’ny faha-27 martsa. Tafiditra ao anatin’izany hasivianandro izany indrindra ny 24 ora ho an’ny Tompo hiombonam-bavaka amin’ny Eglizy manerantany (ny 20-21 martsa) sy ny Fankalazana manetriketrika ny Filazàn’ny Anjely ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. (25 martsa).

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana