Dans la mme rubrique

Mpanao gazety Arphine Helisoa Hiakatra fampanoavana anio

04/04/2020

Nampanantsoin’ny Sampana miandraikitra ny “Cybercriminalité” i Arphine Helisoa (Arp Helisoa) mpanao gazetin’ny Valosoa omaly,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana tsy mahafehy vahoaka Mahasorena ireo manara-dàlana

04/04/2020

Tsy voafehin’ny fanjakana ny vahoaka, tsy manaraka ny baikon’ny filoham-pirenena, goragora tanteraka toa manao izay saim-patany,…

Fanjakana tsy mahafehy vahoaka Mahasorena ireo manara-dàlana

Hamaky ny tohiny...

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

03/04/2020

Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara. Sahirana amin` ny ateraky ny fepetra tsy maintsy hajaina ho fisorohana sy ho fisakanana ny tsy hiparitahan` ny valan`aretina “coronavirus”.

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

03/04/2020

Maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna amin` izao fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amintsika izao. “Maninona ny olona no tsy manaraka ny

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

Hamaky ny tohiny...

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

03/04/2020

Feno omaly maraina ny fepetra maha-rivodoza ireo tangoron-drahona any amin’ny faritra avaratry ny nosy iny.

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

02/04/2020

Tsy mety ilay mampiasa ity fanomezana ity ho an’ny fomba amam-panao politika tsy madio. Mila manaraka tsara ny fepetra napetraky ny fanjakana,

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

Hamaky ny tohiny...

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

02/04/2020

Sokajin’olona miisa 14 eo no nambaran’ny fanjakana fa hotolorana tohana ara-tsosialy manokana, ka isan’izany ny mpamily sy resevera ho an’ny taksibe,

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Ady amin’ny Coronavirus Nanidy trano i Madagasikara

18/03/2020

Nisy ny filankevitry ny minisitra manokana teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra omaly hariva notarihin’ny Filoham-pirenena niaraka amin'ny Praiminisitra sy Minisitra tompon'andraikitra telo ambin'ny folo ao amin'ny governemanta.

 

 

 

Manoloana ny fivoaran’ny valan’aretina Coronavirus maneran-tany fa indrindra aty Afrika sy ny ranomasim-be Indianina tao anatin’izay 72 ora izay dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hentitra mifanaraka amin’izany isika hiarovana ny fahasalaman’ny Malagasy sy ny mponina rehetra eto amintsika, hoy I Andry Rajoelina. 28 hatreto ny firenena Afrikanina voa. Tapaka tao anatin’izany ary, fa miato mandritra ny 30 andro ny sidina rehetra mampitohy an’i Madagasikara amin’ny any ivelany manomboka ny zoma 20 martsa. Na zotra rezionaly toa an’i Maorisy, La Réunion, Afrika Atsimo, Kenya,… na ny zotra iraisam-pirenena mampitohy amin’i Frantsa, Italie, Allemagne, Espagne, Chine dia miato avokoa. Tsy misy izany ny fiaramanidina mahazo miditra eto Madagasikara na avy aiza io na avy aiza . Ny mpandeha rehetra tonga eto kosa hatramin’ny alakamisy izao satria misy fe-potoana hatramin’ny alakamisy alina moa napetraka dia tsy maintsy tsirihana sy atoka-monina araka ny tenin’ny filoha.

Famoaham-bola noho ny hamehana

Fa anisan’ny fepetra manokana noraisina ny fivoriana teny Ambohitsorohitra ihany koa omaly ny fanomezana alalana manokana ny ao amin’ny Minisiteran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola hividy mivantana any amin’ny mpamokatra azy ireo fitaovana ilaina fa tsy mandalo tolo-barotra atao amin’ny fanjakana intsony izany noho ny hamehana sy ny mahamaika ny fanafarana ireo fitaovana hiarovana sy hisorohana ny fihavian’ny valan’aretina. Ampitomboina ihany koa ireo entana efa nafaran’ny Minisiteran’ny fahasalamana miaraka amin’ny OMS ka ampitomboina noho izany ny teti-bola natokana hisorohana sy hamehezana ity Coronavirus ity.

 

Toerana fitokana-monina

 

Fantatra io omaly io ihany koa fa misy hotely miisa 17 efa nivonona ny hanome ny efitrano fandraisam-bahin’izy ireo hametrahana ireo olona voatery tsy maintsy hatao « mise en quarantaine » ka ny fitondram-panjakana miaraka amin’ny OMS no handray an-tanana izany. Nanome ny toeram- pandraisany etsy Vontovorona ihany koa ny ao amin’ny CNaPS ahafahana mandray ireo olona mila atokamonina indrindra ireo avy any amin’ny faritra ka tsy afaka mamonjy ny toera- podian’izy ireo raha tsy vita ny 14 andro hitazonana azy ireo. azo vangiana, tsy afaka mifanerasera aman’olona ireo olona fehezina anatin’ny toerana voatokana ary mahavoasazy ny fandikana izany fanapahana izany.Hisy ny mpitandro filaminana hanara-maso ireo toerana ireo.

 

Nampitandrina

Tsy mbola tonga eto Madagasikara izany ny Coronavirus ary efa nohamarinin’ny OMS izany, « compte fake » ireo namoaka izany tamin’ny facebook. Nosandohana ny gazety Frantsay Le Figaro, izay nolazaina misy olona miisa 5 maty tany Nosy Be. Nantsoina mihitsy io gazety malaza io, izay nandiso izany, raha ny nambaran’ny filoha. Nampitandrina ireo mpanely tsaho i Andry Rajoelina. Nanamafy ny fampitam-baovao manokana avy amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana izany ny filoha momba ny mbola tsy fisian’ny Coronavirus eto Madagasikara. Tsy marim-pototra ny resaka niparitaka nilaza fa misy olona matin’ny Coronavirus tany Nosy Be. Voaporofon’ny Minisiteran’ny fahasalamana sy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) ny tsy fahamarinan’io vaovao io, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny fahasalamana.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana